Madatopinfo

 Flash Info

HI MADAGASCAR: Mila sorohana dieny izao ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo izay mitarika fahasembanana

HI MADAGASCAR: Mila sorohana dieny izao ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo izay mitarika fahasembanana

HI MADAGASCAR: Mila sorohana dieny izao ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo izay mitarika fahasembanana
décembre 20
20:11 2021

Ny datin’ny 20 desambra no hanamarihana ny andro iraisampirenena ho an’ny firaisankinan’ny olombelona. Raha ho an’ny Humanité & Inclusion, teny Antaninarenina no nankalazana izany, omaly, sady nifanindry tamin’ny faha-50 taona ny fanambarana ny zon’ny olona manana fahasembanana ara-tsaina rahateo izany. Tamin’ny alalan’ny famelabelaran-kevitra niompana tamin’ny fahasembanana sy ny tsy fanjarian-tsakafo no nentin’izy ireo nanamarihana izany. Maro ireo mpiantsehatra nandray anjara nandritra ny famelabelaran-kevitra, ankoatra ny avy amin’ny Humanité & Inclusion, nanatrika izany ny teo anivon’ny Ministeran’ny mponina, ny Masoivoho Britanika miasa sy monina eto Madagasikara, teo ihany koa ny avy amin’ny Masoivoho Norvezianina, ny avy amin’ny Firenena Mikambana, ny Firaisamonimpirenena sy ny mpisehatra samy hafa. Nampahafantarina nandritra ity lahadinika ity ny mikasika ny TSMAS (Thérapie de Stimulation des enfants 0 à 5 ans, souffrant de Malnutrition Aiguë Sévère) izay sitrahan’ireo sampam-pitsaboana an’ny fanjakana any amin’ny faritra misy ny foibe sy rantsamangaikan’ny HI Madagasacar: any Atsimo Andrefana, Atsinanana ary DIANA izany. “Hatreto, ireo toerana ireo ihany aloha no misy ny TSMAS, fa vinavinaina ny hiparitahan’izany amin’ny faritra hafa indrindra any amin’ireo tena iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ahitana fahambonian’ny tahan’ny olona manana fahasembanana eo amin’ny zaza latsaky ny 5 taona vokatry ny tsy fahampian-tsakafo”, hoy i Anjan Andriamarosata, tompon’andraikitry ny serasera sy ny adisisika eo anivon’ny Humanité & Inclusion. Tao anatin’ny 2 taona mantsy izay no efa nanohana ara-tsakafo mivantana tamin’ireo olona sahirana any amin’ny faritra Atsimo izy ireo saingy tsy ampy izany raha tsy nampiana tosika tamin’ny alalan’ity karazana “thérapie” ity. Tombony goavana tokoa no azon’ny zaza misitraka ny TSMAS, isan’izany ny fanampiana amin’ny fanafainganana sy fanamorana ny famerenana ara-tsakafo. Araka ny atontan’isa voaray, manodidina ny 500.000 ny ankizy ahiana hotratran’ny tsy fahampian-tsakafo hatramin’io taona ho avy io, raha ny 110.000 amin’izy ireo no iharan’ny tranga mahery vaika. Manoloana izany, miantso ny herivelona sy ny mpiantsehatra rehetra tsy ankanavdaka momba ny olona manana fahasembanana sy ny tsy fanjarian-tsakafo ny Humanité & Inclusion, hifanolo-tanana hisorohana ity loza mitatao amin’ny firenena ity.

Mickah R.

Articles similaires

0 Commentaire

Aucun commentaire sur cet article!

Soyez le premier à commenter!

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930