Madatopinfo

 Flash Info

FIKAMBANAM-PIANTOHANA M.A.MA: Mitohy ny fampiroboroboana ny taranja ara-panatanjahantena

FIKAMBANAM-PIANTOHANA M.A.MA: Mitohy ny fampiroboroboana ny taranja ara-panatanjahantena

FIKAMBANAM-PIANTOHANA M.A.MA: Mitohy ny fampiroboroboana ny taranja ara-panatanjahantena
avril 17
10:00 2024

Tanjon’ny orinasa Malagasy M.A.MA (Mutuelle d’Assurance MAlagasy) ny hametrahana fitokisana eo amin’ny samy mpikambana tsirairay ao anatin’ny Fikambanam-piantohana ho amin’ny fitantanana mahomby. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezan-danja ny fanatanjahantena, raha efa vita tamin’ny taona 2023 mantsy ny ny kianja eo amin’ny taranja baolina kitra sy ny tsipy kanetibe tao amin’ny kianja filalaovana ara-panatanjahan-tena any Imeritsiatosika tamin’ny alalan’ny ezak’ireo mpikambana ao amin’ny Filan-kevi-pitondran’ny M.A.MA, dia nitombo indray izany herintaona taty aoriana. Ahitana kianja ho an’ny taranja Basket Ball ihany koa ao an-toerana amin’izao fotoana izao sady mbola ao anatin’ny fotoam-pakalazana ny faha- 55 taonan’ny Fikambanam-piantohana M.A.MA rahateo izany. Kianja Basket Ball izay manaraka ny fenitra ara-panatanjahantena ity naorina ity ahafahan’ny tanora mivelatra amin’io taranja io ary tsy voatery mandeha lavitra intsony. Nanamafy ny filohan’ny Filankevi-pitondrana eo anivon’ny Trano fiantohana Mutuelle d’Assurance Malagasy, Rolin fa: “Mbola vonona hampiroborobo ary hisedra eo amin’ny tontolon’ny fitantanana mahomby ireo anatin’ny Filan-kevi-pitondrana ao amin’ity Fikambanam-piantohana M.A.MA ho an’ny tombotsoan’ny daholobe ity”.

Ho marik’izany fahavitan’ny kianja izany moa, nanatontosa lalao ara-pifanandrinana sy ara-pirahalahiana ny M.A.MA ny sabotsy 13 sy ny alahady 14 aprily lasa teo teny Imeritsiatosika. Miisa 13 ireo orinasa nandray anjara tamin’ny fanombohan’ny lalao, ka isan’izany ny solotena avy amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy, M.A.MA I sy II, CNAPS, ARO, ALLIANZ, SG SPORT, NY HAVANA. Tafakatra tamin’ny dingana famaranana ny lalao ara-pifanandrinana kosa ny solontenan’ireo mpiasa avy amin’ny SG Sport sy ny Cnaps izay nibata fandresena indroa misesy teo amin’ny taranja basketball sy ny lalao baolina kitra.

Lavon’ny M.A.MA I tamin’ny isa 21 no 17 ho an’ny sokajy vehivavy tamin’ny taranja basketball ny M.A.MA II. Nahazo « Rice coockers » sy fitaovana famanan-drano miampy medaly araka izany ireo nibàta ny amboara tamin’ity lalao ara-pirahalahiana ity. Raha ny voka-dalao teo amin’ny sokajy lehilahy indray tamin’ny taranja baolina kitra, nandraraka ny SG Sport tamin’ny isa 0 no 1 ny solontenan’ireo mpilalao lehilahy avy amin’ny Cnaps nifanandrina tamin’ny SG Sport. Nahazo vola mitentina 400.000 ariary ry zareo avy amin’ny ekipan’ny Cnaps noho ny fandresena azony teo amin’ny lalao famaranana, ary medaly miampy 200.000 ariary kosa ny an’ny SG Sport.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930