Madatopinfo

 Flash Info

AMPOTAKA-DISTRIKA MANDOTO : Tokantrano 332 no nisitraka ny tetikasa Madagasikarantsika

AMPOTAKA-DISTRIKA MANDOTO : Tokantrano 332 no nisitraka ny tetikasa Madagasikarantsika

AMPOTAKA-DISTRIKA MANDOTO : Tokantrano 332 no nisitraka ny tetikasa Madagasikarantsika
mai 14
13:54 2023

Ho fiaraha-mientan’ny sehatra tsy miankina sy ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovainjafy ny amin’ny fandrakofana ala an’i Madagasikara, miroborobo fatratra ny tetikasa Madagasikarantsika ao Ampotaka, Distrika Mandoto, Faritra Vakinankaratra. Nandritra ny FIM andiany faha-17 teny amin’ny Hazovato Forello Tanjombato ny sabotsy 13 Mey lasa teo no nampahafantarana fa 2 taona maheriny taorian’ny fifanaovan-tsonia teo amin’ireo mpiara-miombon’antoka, fantatra fa maherin’ny 176.000 ny hazo voavoly tao amin’ny valanjavaboary Madagasikarantsika, mahatratra 85 isan-jato kosa ny taham-pivelomany enim-bolana taorian’ny fambolen-kazo. Nanomboka ny volana Mey 2021, manodidina ny 330 ny tokantrano mivondrona amin’ny VOI (Vondron’Olona Ifotony) nisitraka mivantana io tetikasaizay vatsian’ny Vondrona Imperial Brands Madagascar io, nitombo ny fidiram-bolan’izy ireo fanampiny raha oharina amin’ny teo aloha. « Nanampy betsaka anay mianakavy ny fisian’ity tetikasa ity satria nanatsara ny fidiram-bola ao an-tokantrano sy ny fiainana andavanandro indrindra eo amin’ny sakafo,ny fahasalamana sy ny fianaran’ny ankizy », hoy i Hervé Ralamboarivony, raim-pianakaviana mpahazo tombontsoa ao amin’ny valanjavaboary Madagasikarantsika. Nomena sehatra manokana ny fampandraisana anjara ny VOI tamin’ity tetikasa izay niarahan’ny Imperial Brands sy ny MEDD ity, fiaraha-miasa izay haharitra 3 taona. Mirefy 600 hektara ny velarana, ahitana voly hazo mandrakotra ala 120 hektara miendrika sarintanin’i Madagasikara, ravahan’ireo ala maitso mavana sy fotodrafidrasa mifanaraka amin’ny fikolokoloana ny tontolo iainana. « Manoloana ireo bozaka haingam-paniry ao amin’ity valanjavaboary ity izay isan’ireo olana nosedraina, dia misy ny fikajiana matetika mba hanomezana endrika ny toerana », araka ny fanazavan’i Liva Andriamaniraka, Lehiben’ny tetikasa eo anivon’ny Imperial Brands. Ankoatra izay, nambarany fa misy ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny fitaleavam-paritra Vakinankaratra amin’ny alalan’ny fanokafana ny lalana mankany amin’ny valanjavaboary Madagasikarantsika Ampotaka. Amin’ny maha toerana midadasika azy izay, nametrahana aro afo mirefy 22 kilaometatra ihany koa ao anatiny sy ivelany.
Ho an’ny Mpanolontsaina manokan’ny Filoham-pirenena misahana ny raharaha ara-toekarena sy ny fifandraisana amin’ny sehatra tsy miankina, Baomiavotse Vahinala Raharinirina, mifanidran-dalana amin’ny velirano faha-10 (fitantanana maharitra ny harena voajanahary sy ny fanarenana ny ala eto Madagasikara) ity tetikasa ity. Nohamafisiny fa ilaina sy zava-dehibe ny fiaraha-misalahin’ny sehatra tsy miankina sy ny fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahana izany. Maniry ny tenany ny mba hitohizan’ny tetikasa ary hihitatra amin’ny valanjavaboary 4 hafa.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930