Madatopinfo

 Flash Info

MADAJEUNE: Sekoly ambony manodidina ny 40 no mandray anjara etsy Mahamasina

MADAJEUNE: Sekoly ambony manodidina ny 40 no mandray anjara etsy Mahamasina

MADAJEUNE: Sekoly ambony manodidina ny 40 no mandray anjara etsy Mahamasina
février 04
14:03 2021

Eny amin’ny Lapan’ny tanora sy ny fanatanjahantena indray no hifamotoana ireo sekoly ambony sy ny mpianatra manana bakalorea noho mihoatra amin’ny alalan’ny hetsika lehibe izay karakarain’ny Madajeune antsoina hoe : « Salon de l’étudiant – spécial 2021 ». Mandritra ny roa andro no hanatanterahana izany, efa nanomboka omaly ary mbola hitohy androany izany. Misokatra tsy ankiato manomboka amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 5 ora hariva ny hetsika. Amin’ity andiany ity, miisa manodidina ny 40 no sekoly mandray anjara, mampahafantatra ny mombamomba ny sekoliny mandritra izany. Ireo fotoana ireo ihany koa no ahafahan’ny mpianatra vao afa-panadinana farany teo manararaotra misafidy tsara ny sekoly tiany ianarana sy mifandraika amin’ny sokajy naha afaka azy. Misy ireo sekoly manao tolotra manokana mandritra ity roa andro ity tahaka ny fisian’ny fihenam-bidy eo amin’ny sara-pisoratana anarana sy ny maro hafa. « Tsy misahirana mitety sekoly intsony ny mpianatra fa ao an-toerana ihany dia efa hita daholo ny karazana sampam-piofanana samy hafa. Fotoana ihany koa ahafahan’ny tanora manadihady tsara ny ireo sekoly hidirany aorian’ny bakalorea », hoy ny mpikarakara eo anivon’ny Madajeune, Haingo Rajaonah. Mampiavaka ny « Salon de l’étudiant – spécial 2021 » ity moa ny fisian’ireo tranoheva izay mampahafantara ny fianarana any Frantsa, Maorisy, Rosia sy ny maro hafa ho an’ireo liana ny hanohy ny fianarany any am-pita. Raha ny tsikaritra nandritra ity hetsika ity, ny tontolon’ny fitantanana, ny lalàna sy ny serasera no sampam-piofanana nahasarika ireo mpitsidika indrindra.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930