Madatopinfo

 Flash Info

TOMBOLA TAFABE: Renim-pianakaviana avy eto Antananarivo no voasarika nahazo fiara

TOMBOLA TAFABE: Renim-pianakaviana avy eto Antananarivo no voasarika nahazo fiara

TOMBOLA TAFABE: Renim-pianakaviana avy eto Antananarivo no voasarika nahazo fiara
juillet 20
20:10 2023

Ao anatin’ny fanamarihana ny faha-20 taonan’ny Orange Madagascar, hetsika maro no hotanterahana amin’ity 2023 ity. Tafiditra amin’izany ny Tombola Tafabe Orange izay nandraisan’ny mpanjifa mihoatra ny 1.500.000 anjara nanomboka ny 1 ka hatramin’ny 30 Jona 2023. Nangarahara tanteraka no nanatanterahana ny fisarihana goavana ny 5 Jolay lasa teo, porofon’izany ny fanatrehan’ny polisy misahana ny lalao na «police des jeux». Isan’ny tsara vintana voasarika nahazo fiara vaovao raitra, tamin’io lalao Tombola Tafabe io i Antoinette Ratompoarisoa izay renim-pianakaviana avy eto Antananarivo. «Efa mpanjifa ny tambazotra Orange hatramin’izao aho ary mpandray anjara amin’ny lalao matetika ihany koa. Tsy nampoiziko ho voasarika nahazo ny loka voalohany aho tamin’ity Tombola Tafabe ity», hoy izy. I Roger Rasolondray avy any Ambilobe kosa no voasarika faharoa, nahazo moto scooter vaovao. Mbola avy eto Antananarivo ihany koa ny laharana fahatelo sy fahaefatra, i José Marino Ralalaoharison nisitraka Orange Money mitentina 5 tapitrisa ariary raha «abonnement internet» Orange mandritra ny 12 volana no azon’i Valiha Harindranto Antoine Ratsimbazafy. Notolarana azy ireo mivantana teny amin’ny Orange Ankorondrano ny loka ny tolakandron’ny alakamisy 20 Jolay. Tsiahivina, izay nanjifa tolotra Orange 1.000 ariary dia nandray anjara avy hatrany tamin’ny lalao Tombola Tafabe. «Tsy hijanona eo ny lalao fanamarihana ny faha-20 taonan’ny Orange, mbola hitohy ny hetsika any amin’ny Faritra sy eto Antananarivo mandritra ity taona ity», araka ny fanazavan’ny DRH eo anivon’ny Orange, Zo Andriantsilavo. Ny Tale Jeneralin’ny Orange Madagascar, Frédéric Debord, ihany koa dia nanamafy fa hametraka tantara amin’izao fankalazana ny faha-20 taona izao. Tao anatin’izay, hoy izy, nisongadina hatrany ny fampiroboroana ara-nomerika.

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031