Madatopinfo

 Flash Info

MADAGASIKARA MIATRIKA NY COVID-19: « Ny fiombonana no fahendrena malagasy indrindra », hoy i Gérard Ramamimampionona

MADAGASIKARA MIATRIKA NY COVID-19: « Ny fiombonana no fahendrena malagasy indrindra », hoy i Gérard Ramamimampionona

MADAGASIKARA MIATRIKA NY COVID-19: « Ny fiombonana no fahendrena malagasy indrindra », hoy i Gérard Ramamimampionona
mars 25
06:18 2021

Manoloana izao fihanaky ny valanaretina Covid-19 izao indrindra fa ny nahafantarana fa tafiditra eto Madagasikara ny « variant » avy ao Afrika atsimo, dia nanambara ny Filoha Lefitry ny CFM na Komity momba ny Fampihavanana Malagasy Antananarivo, Gérard Ramamimampionona fa fahavalo iraisana ity aretina ity. « Noho izany dia ny fiombonana no fahendrena malagasy indrindra ary mila manambatra ny hery isika na dia eo aza ny olana ara-tsosialy, ara- toekarena sy ara-politika », hoy izy. Mbola isan’ny lesoka eto amintsika tokoa mantsy ny tsy finoana ny fisian’ny Covid-19 sy ny tsy tsy firaharahiana ireo fepetra iadiana amin’izany ka antony mahatonga ny firongatry ny aretina ao anatin’ny fotoana fohy. Noho izany koa dia manentana ny isambatan’olona ny CFM ny amin’ny fiarovan-tena, ny fitandremana, ny fisorohana ary ny fitsaboana. « Tsy voatery hiandry ny mpitandro filaminana ny tsirairay vao hanaraka ny fepetra hiadiana amin’ity areti-mandoza ity, fa raharahan’ny isambatan’olona ny mitandro ny aina amin’ny maha lahitokana azy. Ny tsirairay mihitsy araka izany no tompon’andraikitra », araka ny nambaran’i Gérard Ramamimampionona hatrany. Raha ho an’ny mpitsabo sy ny tompon’andraikitra isan-tokony eny anivon’ireny tobim-pahasalamana ireny indray kosa dia nilaza ity mpikambana ao amin’ny CFM ity fa tokony apetraka ny soatoavina Malagasy hoe: »izay marary andrianina ». Manao antso avo ho an’ny olon-drehetra araka izany ny Komity momba ny Fampihavanana Malagasy hifanome tanana sy hifampitsinjo indrindra ho an’ireny olona marary kanefa tsy manana na tsy mahatakatra ny saram-pitsaboana ireny mba tsy hiparitahan’ny aretina amin’ny fiarahamonina.

M.R

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031