Madatopinfo

 Flash Info

FIDANGAN’NY VIDIM-PIAINANA : Mifanohitra tamin’ny fampielezan-kevitra ny vidina sakafo sy taotrano

FIDANGAN’NY VIDIM-PIAINANA : Mifanohitra tamin’ny fampielezan-kevitra ny vidina sakafo sy taotrano

FIDANGAN’NY VIDIM-PIAINANA : Mifanohitra tamin’ny fampielezan-kevitra ny vidina sakafo sy taotrano
juillet 28
12:59 2021

Miandrandra fanatanterahana ara-bakiteny ireo nampanantenain’ny Fitondrana izay mijoro ny olompirenena. Heverina fa tsy fialana bala ny valan’aretina. Mifanohitra tanteraka tamin’ny nofinofy mialohan’ny fifidianana ho Filoham-pirenena farany teo no zava-misy. Moa ve manao izay haminganana ny Filoha ireo minisitra misahana izany? Tsy misy tsy mikaikaika ny isan-tokantrano amin’ny vidin’ireo entana ilaina amin’ny filàna andavanandro fa efa tena mihoapampana izay tsy izy ary tena efa mila tsy ho takatry ny fahefa-mividy intsony.
Raha ny fisondrotan’ny vidin’ireo entana ilaina amin’ny fiainanana andavanandro ireo anefa dia tsy vao izao raha ny fahatsapa’ny valala tsy mandady harona azy fa efa fiakarana intelo nandritra ity valan’aretiina ity. Ny vidin’ny vary izao dia manodidina ny 700Ar hatramin’ny 800Ar ny iray kapoaka eny amin’ny mpivarotra antsinjarany na ny «épicerie », ny siramamy dia 3200Ar ka hatramin’ny 3 500Ar ny iray kilao, ny voamaina dia 1 000Ar hatramin’ny 1 500Ar ny iray kapoaka ,ny harina fandrehitra kosa dia 35 000Ar ka hatramin’ny 50 000 Ar ny iray gony, fa ny tena nampikaika ny maro tatoato dia ny atody 600Ar ka hatramin’ny 700ar ny singany iray ary indrindra ny menaka izay manodidina ny 8 200Ar ka hatrami’ny 9 000Arny litara ary ny ilay efa vita amin’ny tavoahangy na ilay « cacheté » moa dia 95000a ka hatramin’ny 12 000a ny iray litatra, raha irony menaka manokana na « huile d’olive » irony aloha dia mbola lafo lavitra noho izany ny vidiny.Raha maniraka olona fa tsy ny tena tompony no mividy moa dia miteraka fifamaliana io vidin’entana io
Anisan’ny nampikaikaika ny maro ihany koa ny fiakaran’ny vidin’ireo entana fototra fampiasa amin’ny taotrano tatoato, fiakarana izay manodidina ny 5 000Ar hatramin’ny 15000Ar raha mitaha volana maromaro talohan’izao.Ny simenitra ohatra dia 31 000Ar hatramin’ny 35 000Ar raha novidiana 21 000Ar ny kitapo iray tany aloha. Ireo karazana «tuyau» sy «fer» ; ny fasika ihany koa torak’izany dia niharan’io fisondrotana mihoampampana io avokoa. Izay tena nanimba ny tet-ibidy voafaritra mialoha na ilay atao hoe «devis» izay nampifanolana ny mpifanaraka arak’asa mihitsy ny vokany.
Hanitra Rasolonjatovo

Articles similaires

0 Commentaire

Aucun commentaire sur cet article!

Soyez le premier à commenter!

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930