Madatopinfo

 Flash Info

MVOLA SY VOILADOC : Miara-miasa ho fisitrahan’ny malagasy tolotra ara-pahasalamana azo antoka

MVOLA SY VOILADOC : Miara-miasa ho fisitrahan’ny malagasy tolotra ara-pahasalamana azo antoka

MVOLA SY VOILADOC : Miara-miasa ho fisitrahan’ny malagasy tolotra ara-pahasalamana azo antoka
avril 18
08:30 2024

Isan’ny zo fototry ny olona tsirairay ny fahasalamana, noho ny tsy fahampiana sy ny halaviran’ny toeram-pitsaboana amin’ny toerana sasany anefa dia maro ny olona indrindra any ambanivohitra no tsy misitraka tolotra ara-pahasalamana mahomby. Manoloana io sady ho famahana ny olan’ny mponina amin’izay lafiny izay indrindra, dia manampy betsaka ny MVola amin’ny alalan’ny application antsoina hoe : « Voiladoc ». Nampahafantarina omaly, teny amin’ny Campus Telma Galaxy Andraharo ny fisian’ity tolotra vaovaobe ity ka nivoitra nandritra izany fa natokana hanamorana ny fizaham-pahasalamana ny « Voiladoc ». Raha ny nambaran’i Emmanuel Samuel, tompon’andraikitra eo anivon’ny Voiladoc fa maro ny tombontsoa azon’ny mpanjifa amin’ny alalan’ity application ity satria hita ao avokoa izay rehetra momba ny fahasalamana amin’ny ankapobeny toy ny fomba fidoboky ny fo, ny fisefoana sy ny tosidrà sy ny tahan’ny rarin-tsaina. Araka ny fantatra, niforona tamin’ny taona 2020 ny vokatra Voiladoc ary isan’ny vinany ny hirosoana mankany amin’ny vanim-potoana vaovao ho tombontsoa ambonin’ny vahoaka. « Afaka miresaka mivantana amin’ny mpitsabo ny mpanjifa amin’ny fotoana sy toerana rehetra, izany hoe, tsy voatery mivezivezy na mandany fotoana milahatra. Manamora ny fizaham-pahasalamana ihany koa ny Voiladoc sady ahafahana manaraka ny fizotry ny toe-pahasalamana », hoy ny fanazavan’i dokotera Heriniriana Randriamanjato. Tombony amin’ny fampiasana io application io ihany koa ny fandoavam-bola izay azo atao avy hatrany amin’ny kaonty MVola amin’ny sarany mirary arakaraka ny tolotra sitrahana. « Tsy mijanona fotsiny eo amin’ny fikirakirana ny fandefasana sy fitehirizam-bola ary ny fividianana tolotra samy hafa ihany ny MVola fa mivelatra amin’ny sehatra hafa ihany koa tahaka izao fiaraha-miasa eo amin’ny Voiladoc izao. Tsotra ny fampiasana azy ary mahomby kokoa ho fampivelarana ny fitsaboana ampitain-davitra dy ny fampiasana fitaova ara-kajy mirindra », hoy ny Tale Jeneralin’ny MVola, Louis-Olivier Favot. Tsy misy ahiana ny fikirakirana ny application Voiladoc satria dokotera efa matihanina avokoa no ao, manaja ny malin’asa na « déontologie » araka ny fitsipika mifehy ny mpitsabo. Tazonina ho tsiambaratelo avokoa mantsy ny atontan-kevitra sy ny resaka hifanaovan’ny mpanjifa amin’izy ireo. Manaraka izany, manindry kaody indroa miantaona vao afaka manokatra ny application dia ny « code PIN » sy ny « mot de passse » izany. Ankoatra izay, hita ao ihany koa ny toeram-pivarotam-panafody sy clinique azo antonona amin’ny fotoana mahamety azy.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930