Madatopinfo

 Flash Info

TAOM-PAMBOLENKAZO 2021-2022: Velarantany mirefy 150.000 hektara no fanamby apetraky ny Ministra lefitry Fandrakofana ala

TAOM-PAMBOLENKAZO 2021-2022: Velarantany mirefy 150.000 hektara no fanamby apetraky ny Ministra lefitry Fandrakofana ala

TAOM-PAMBOLENKAZO 2021-2022: Velarantany mirefy 150.000 hektara no fanamby apetraky ny Ministra lefitry Fandrakofana ala
novembre 15
18:30 2021

Ho fanatanterahana ny velirano fahafolo mikasika ny ady amin’ny doro tanety sy ny fampiroboroboana ny fambolenkazo, nitondra fanazavana amin’ireo fanamby hapetraka mandritra ny taom-pambolenkazo 2021-2022 ny teo anivon’ny Ministera lefitra misahana ny Fandrakofana ala an’i Madagasikara ao amin’ ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovain-jafy. Nanambara ny Ministra lefitra, Haingosoa Hortencia fa hampitomboina avo roa heny amin’ny fanambin’ny Fitondrampanjakana ny tany hambolen-kazo amin’ity. “Mirefy 150.000 hektara ny velarantany ezahana hotratrarina, ka ny 80.000 hektara dia vinavinaina ho tratra hatramin’ny fiandohan’ny taona 2022”, hoy ny Ministra lefitry ny Fandrakofana ala nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety ny alatsinainy 15 Novambra, teny Nanisana. Isany ho laharampahamehana amin’ity andiam-pambolenkazo ity ny fandrakofana ala manamorona ny lalam-pirenena eto Madagasikara, manodidina ny 2.300 kilaometatra ny refin’izany raha ny fanampim-panazavana voaray. Eo ihany koa ny fambolenkazo goavana amin’ny fanombohana ofisialy ny taom-pambolenkazo izay hotanterahana amin’ny volana janoary 2022, ka ezahana ho 60.000.000 ny isan’ny hazo voavoly ao anatin’ny iray andro. Tafiditra ho laharampahamehana koa ny fametrahana tanin-janakazo goavana eto Madagasikara. “Ny fambolenkazo mantsy dia fanoitra iray lehibe entina hiadiana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ka izay no antony hametrahana ireo paikady ireo”, hoy hatrany Ramatoa Haingosoa Hortencia. Mbola hitohy sy hamafisina hatrany ihany koa ny teknika manaraka ny teknolojia vaovao tahaka ny famafazana voa am alalan’ny fiaramanidina toa ny nampiharina tany Fort-Dauphin izay nahavitana velarantany 750 hektara. Raha ny fantatra, mitentina 4 miliara ariary no tetibola vinavinain’ny Ministera lefitra hatokana ho an’izany fandrakofana ala manerana ny Nosy izany. Ny zanakazo moa dia fantatra fa maimaimpoana eo anivon’ny rantsamangaikan’ny Ministera isam-paritra. Manao antso avo amin’ireo mahatsapa ho olompirenena tompon’andraikitra ny Ministra lefitra Haingosoa Hortencia mba hanara-maso sy hikolokolo ireny hazo novolena ireny ary nohamafisiny fa “izay mandoro tanety, mandoro tanindrazana”.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930