Madatopinfo

 Flash Info

LIONS CLUB ANTANANARIVO SALANITRA: Nanolotra fanomezana maro ho an’ny mponin’Ambohimiadana

LIONS CLUB ANTANANARIVO SALANITRA: Nanolotra fanomezana maro ho an’ny mponin’Ambohimiadana

LIONS CLUB ANTANANARIVO SALANITRA: Nanolotra fanomezana maro ho an’ny mponin’Ambohimiadana
septembre 15
06:30 2020

Toerana nosafidian’ny Lions Club Antananarivo Salanitra hanatanterahana ny RSM na  » Réunion Statutaire Mixte » voalohany ny tao Ambohimiadana, Kaominina Carion, amin’iny lalam-pirenena faha-2 iny. Nandray anjara tamin’izany ny mpikambana rehetra izay notarihin’ny Filohan’ny fikambanana, Sarah Randrianjara, teo koa ny fianakaviana sy ny namana hanomezan-danja kokoa ny fiaraha-monina. Dia an-tongotra manodidina ny 8 kilaometatra no nentin’izy ireo nanamarihana io fihaonana io nandritra izany mba hampiroboroboana ny fampihetseham-batana sy ho fisorohana ny aretina toy ny diabeta. Ankoatra izay, tsy adinon’ny fianakaviamben’ny Lions Club Antananarivo Salanitra ihany koa ny mponina tao Ambohimiadana nandritra ny fandalovan’izy ireo tany an-toerana. Fanomezana maro toy koba aina, savony ary vatomamy ho an’ny ankizy miisa 80 mantsy no natolotry ny mpikambana ho azy ireo ary nohajaina hatrany ny fampiharana ny sakana ara-pahasalamana rehetra. Nanampy sy niara-nisalahy tamin’ny fizarana ireo fanomezana ireo niaraka tamin’ity fikambanana ity nandritra izany moa ny teo anivon’ny Supermaki.
Araka ny fampitam-baovao voaray, ny fiarovana ny tontolo iainana ihany koa dia isan’ny ifantohan’ny asa ataon’ny Lions Club Antananarivo Salanitra. Kitapo azo averina ampiasaina araka izany no nosafidina, mba hisorohana ny fandotoana sy hahafahan’ny fianakaviana mpisitraka mahazo tombony amin’ny fampiasana izany.

Mickah R.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031