Madatopinfo

 Flash Info

MVOLA Fô : Efa azon’ireo mpampiasa 032, 033, 034, 037, 038 ny manokatra kaonty MVola

MVOLA Fô : Efa azon’ireo mpampiasa 032, 033, 034, 037, 038 ny manokatra kaonty MVola

MVOLA Fô : Efa azon’ireo mpampiasa 032, 033, 034, 037, 038 ny manokatra kaonty MVola
avril 19
07:30 2024

Amin’izao fotoana izao, mananika ny 13 tapitrisa ireo mpanjifa 034 sy 038 ao anatin’ny fianakaviamben’ny MVola izay ahafahan’ny mpanjifa mandefa sy mitahiry ary mindra-mbola, eo ihany koa ny fividianana fahana sy tolotra maro samy hafa. Tsy mitsaha-mivoatra ny MVola nandritra izay 14 taona nisiany izay, marik’izay fandrosoana izay indrindra dia nanokatra ny atao hoe : « MVola Fô » izy raha ny nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy 18 Aprily teny amin’ny Axian University Andraharo. « Raha ho an’ny mpanjifa Mvola ihany no afaka nikirakira ny App MVola teo aloha, ankehitriny kosa efa misokatra ho an’ireo mpampiasa tambazotra rehetra eto Madagasikara izany amin’ny alalan’ny MVola Fô. Ny tambazotra rehetra 032, 033, 034, 037, 038 araka izany dia afaka manokatra kaonty MVola avokoa », raha ny fanazavana nentin’ny Liana Ramiandrisoa, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny MVola. Tsotra ny fisitrahana ity servisy vaovao ity, mila maka maimaimpoana ny « Super App MVola » tao amin’ny Google Play na App Store, avy eo mampiditra ny mombamomba voarakitra anatin’ny kararampanondro. Haingana kokoa ny fidirana aminy satria 5 minitra monja dia vita ary azo ampiasaina avy hatrany ny MVola Fô. Azo antoka ny fikirakirana azy ity noho izy mitaky tarehimarika miafina vao afaka mamarana ny famindrana ny vola. Tombony ho an’ireo mpanjifa vao manokatra voalohany ny kaonty MVola amin’ny alalan’ny App MVola ihany koa ny fahazoana 2.000 ariary avy hatrany ao anatin’ny kaontiny. « Mamaly ny hetahetan’ny Malagasy tsivakivolo ny MVola Fô, Mino izahay fa ny malagasy tsirairay dia mendrika ny hisitraka tolotra ara-bola tsara kalitao, sy manaraka ny teknolojia amin’ny toerana rehetra misy azy. Mirehareha izahay fa tafiditra am-pon’ny malagasy amin’ny andavanandrony ary koa mitondra fampandrosoana ho an’i Madagasikara ny MVola », hoy ny Tale Jeneralin’ny MVola, Louis-Olivier Favot.
Nanambara ny tompon’andraikitra fa mbola eo am-pamolavolana ny fandaharan’asa hafa mikasika ireo mpanjifa 032, 033, 034, 037, 038 tsy manana smartphone hikirakirana ny MVola Fô.

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031