Madatopinfo

 Flash Info

IRAY VOLAN’NY FIAHIANA ARA-TSOSIALY: Nitohy tamin’ny fampirantiana teny Soarano ny hetsika

IRAY VOLAN’NY FIAHIANA ARA-TSOSIALY: Nitohy tamin’ny fampirantiana teny Soarano ny hetsika

IRAY VOLAN’NY FIAHIANA ARA-TSOSIALY:  Nitohy tamin’ny fampirantiana teny Soarano ny hetsika
mai 20
06:44 2022

Tanterahana eny amin’ny Gara Soarano mandritra ny roa andro ny fampiratiana mahakasika ny Fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara, nanomboka ny alakamisy 18 Mey izany ary hifarana kosa ny zoma 19 Mey. Tranoheva maro no hita mandritra izany hahafahana mampahafantatra ny fandaharan’asa momba ny fiahiana ara-tsosialy sy ny tontolony. Misokatra ho an’ny daholobe ny hetsika, ary ihany koa afaka mahazo fanazavana misimisy kokoa ny tsirairay. Ireo mpandray anjara rahateo vonona ny hamaly izay fanontaniana mifanindrify aminy. Ankoatra ny tranoheva ahitana ny Ministeran’ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy, mandray anjara amin’ity fampirantiana ity ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo mpisehatra amin’ny lafiny sosialy eto Madagasikara, toy ny UNICEF, BNGRC, PAM, UNFPA. Taorian’ny fandraisam-pitenenana, nitarika ny fitsidihana ireo tranoheva ireo ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Mponina, Miarisoa Patricia Rakotonirina. Ny tenany izay nanamafy fa tafiditra isan’ny laharampahamehan’ny fitondram-panjakana ny fiahiana ara-tsosialy araka ny velirano faha 8.4. Teo ihany koa ny Tale Jeneralin’ny Ministeran’ny Mponina, Ghisbert Rivomanana ary ny solontenan’ny UNICEF eto Madagasikara. Ity hetsika ity moa dia tafiditra tanteraka ao anatin’ny izay volan’ny Fiahiana sosialy ny hetsika izay natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny 6 Mey lasa teo. Isan’ny tanjona amin’ity iray volan’ny fiahiana ara-tsosialy ity moa ny hanavaozana ny paikadin’ny Fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara. Ny Ministeran’ny Mponina izay mananentana hatrany ny daholobe hoavy hitsidika ireo tranoheva fampahafantarana ireo.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930