Madatopinfo

 Flash Info

FARITRA ANALAMANGA: Haharitra 8 volana ny famolavolana ny drafi-panajariana ny faritra

FARITRA ANALAMANGA: Haharitra 8 volana ny famolavolana ny drafi-panajariana ny faritra

FARITRA ANALAMANGA: Haharitra 8 volana ny famolavolana ny drafi-panajariana ny faritra
décembre 14
06:05 2021

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy teny Tsiadana, omaly, ny famolavolana ny drafi-panajariana ny faritra na SRAT izay notanterahana tamin’ny alalan’ny atrikasa niarahana tamin’ireo mpisehatra momba izany. Hiara-hisalahy mandritra ity SRAT ity ny eo anivon’ny Faritra Analamanga sy ny Ministeran’ny Fanajariana ny tany sy ny Fananan-tany ka noraketina tamin’ ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Governora an’Analamanga, Hery Rasoamaromaka sy ny Talen’ny fanajariana ny Tany, Tiana Randrianasoloarimina izany. Isan’ny teboka lehibe voarakitra anatin’izany ny fahafantarana ny toe-java-misy rehetra eo anivon’ny faritra, eo ihany koa ny ahafahana mamaritra ny drafi-panajariana ao amin’ny Faritra Analamanga ao anatin’ny 20 taona ho avy. Haharitra 8 volana moa ity teikasa SRAT ity. « Ny fanovana entin’izao famolavolana izao dia ny ahafahan’ny eo anivon’ny Faritra mandray an-tanana misimisy kokoa ny momba ny lafin-tany », hoy ny Talen’ny Fanajariana ny Tany. Nanamafy ihany koa ny Governoran ‘Analamanga fa hitondra fampandrosoana goavana eto amin’ny firenena ity SRAT ity. Efa mitsangana eo anivon’ny Faritra Analamanga rahateo ny komitim-paritry ny fanajariana ny tany izay hanaraka akaiky izany drafi-panajariana ny faritra izany. Tsiahivina, fa manohana ny tetikasa SRAT ny MATSF sy ny tetikasam-panjana PRODUIR (Projet de Développement Urbain Integré et de Résilience du Grand Antananarivo), ary vatsian’ny Banky iraisampirenena vola. Nandray anjara tamin’izany atrikasa teny Tsiadana ihany koa ny Loholon’i Madagasikara, Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa izay nisolo tena ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Herimanana Razafimahefa. Antenaina hitondra fampandrosoana ho an’ny faritra sy ho an’ny firenena araka izany ny SRAT ary hisy fiatrakainy goavana amin’ny tsirairay.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930