Madatopinfo

 Flash Info

M-TEC MADAGASCAR : Mandray anjara goavana eo amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fitaterana an-tanety

M-TEC MADAGASCAR : Mandray anjara goavana eo amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fitaterana an-tanety

M-TEC MADAGASCAR : Mandray anjara goavana eo amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fitaterana an-tanety
avril 16
08:15 2024

Tsy afa-misaraka amin’ny andavanandron’ny olona amin’izao fotoana izao ny fitaterana na eo amin’ny fianarana izany na ihany koa eo amin’ny sehatry ny asa. Isan’ny mitondra fampandrosoana ho an’ny toekarena eto Madagasikara rahateo izany amin’ny alalan’ny fivezivezena indrindra ny fitaterana an-tanety. Manoloana izany indrindra, mandray anjara lehibe ho fampiroboroboana ny sehatry ny fitaterana an-tanety io ny « M-Tec Le leader de la géolocalisation ». Iray tamin’ireo 108 nandray anjara nandritra ny hetsika « Salon internationale des transports, de la logistique et de la manutention » izay nivondronan’ireo orinasa sy mpandraharaha matihanina momba ny fitaterana teny amin’ny Hazovato Expo Tanjombato ny M-Tec Madagascar sady mpiara-miombon’antoka tamin’ny SITLM andiany fahatelo ihany koa. Tsiahivina fa notanterahana nanomboka ny alakamisy 11 ka hatramin’ny alahady 14 Aprily izany ary teo amin’ny tranoeva laharana 106 sy 107 (Stand emploi et formation) no nisy ny M-Tec. Ankoatra ny fampahafantarana ny asa sahanin’ny M-Tec, nampiavaka azy ny lalao izay nahazoana loka ho an’ireo nitsidika ny tranoeva. Nisy ihany koa ny tolotra manokana ho an’ireo mpanjifa nanatanteraka fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa niaraka atamin’ny M-tec. « Amin’ny maha-sangany sy maha-matihanina ny M-tec Madagascar, dia mampiasa fitaovana mifanaraka amin’ny vanim-potoana sy ara-kajy mirindra ary ampitain-davitra ao anatin’ny fampanajana ny tontolo iainana izahay. Amin’izao fotoana izao, efa mihoatra ny 2.000 ny fiara mampiasa ny géolocalisation eto Madagasikara ary 200 mahery kosa ny mpanjifa », hoy ny Tale ara-barotra eo anivon’ny M-Tec Le leader de la géolocalisation, Mickaël Rasamuel. Nandritra ny SITLM andiany fahatelo io, nahazo tombony manokana ireo mpitsidika teny an-toerana satria nisy ny fandraisana CV mikasika ireo tolotr’asa ao amin’ny M-Tec. Ho an’ireo liana sy maniry ny hiara-hiasa aminy kosa, misy ny tranokala azon’ny rehetra tsidihana : www.m-tec.mg na ihany koa manantona eny amin’ny foiben-toerany Enceinte SIMMA, Bâtiment Reinala Andranomena Ambohidroa.

Sary: Salon internationale des transports, de la logistique et de la manutention

Mickah R.

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031