Madatopinfo

 Flash Info

STAR: Nanolotra TDR miisa 100 ho an’ny Kaominina Ambatolampy

STAR: Nanolotra TDR miisa 100 ho an’ny Kaominina Ambatolampy

STAR: Nanolotra TDR miisa 100 ho an’ny Kaominina Ambatolampy
août 06
06:30 2020

Fotoana hifanomezan-tanana sy hiraisan-kina izao. Ankoatra ny famokarana zava-pisotro, isan’ny nahafantarana ny orinasa Star nandritra izay taona maro nijoroany izay ihany koa ny fandraisana andraikitra eo anivon’ny fiaraha-monina amin’ny alalan’ny asa sosialy. Hatramin’izay nahatongavan’ny valan’aretina Covid-19 teto amintsika izay, dia hetsika maro tokoa no efa notanterahan’ity orinasa ity hanonana ny mpiray tanindrazana hiatrehana izany. Taorian’ny Kaominina Antananarivo renivohitra mantsy, anjaran’ny Kaominina Ambatolampy indray no nahazo fitaovam-pitiliana na TDR miisa 100 avy amin’ny Star ny alatsinainy 3 Aogositra lasa teo. Tonga nanolotra ireo fitaovana ireo ny ekipan’ny Star tany an-toerana izay notarihan’ny Tale Jeneralin’ny ozinina Star Ambatolampy, Andrianaivojaona Lala Ratovoarivelo. Nohamafisiny nandritra izany fa manohana hatrany ny Kaominina ny Star ao anatin’izao ady hiraisan’ny rehetra amin’ny valanaretina Coronavirus izao. Etsy andaniny, naneho ny fankasitrahana ho an’ny Star amin’izao fanomezana izao ny Kaominina Ambatolampy tamin’ny alalan’ny Ben’ny Tanàna, Mika Rakotomalala. Nambaran’ity Ben’ny Tanàna ity fa taratry ny fiaraha-miasa sy fifanomezan-tanana ataon’ny orinasa Star izao fanohanana ara-pitaovana izao. Ny Star rahateo tsy miraviravy tanana fa miara-mientana hatrany amin’izao olana ara-pahasalamana mianjady eto amintsika izao na dia misy aza ny fiatoana vonjimaika eo anivon’ny ozinina.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930