Madatopinfo

 Flash Info

S.A.I.T: Tsy mbola voavaly ny fitakiana nandritra ny efa-bolana

S.A.I.T: Tsy mbola voavaly ny fitakiana nandritra ny efa-bolana

S.A.I.T: Tsy mbola voavaly ny fitakiana nandritra ny efa-bolana
mars 17
06:30 2021

Efa-bolana izao no nangatahan’ny Syndicat Autonome des Inspecteurs du Travail (SAIT) vahaolana momba ny fanomezana ny Sata manokana sy tambinkarama azy ireo saingy mbola tsy nahitam-bokany izany. Manoloana izany dia nanao fanambarana teny Antsahavola izy ireo ny talata 16 marsa izay nampahafantarina ny besinimaro fa tsy mbola voavaha io olana io hatramin’izao. Raha tsiahivina, efa nanome herinandro ho an’ny Ministera sy ny tompon’andraikitra ao aminy izay tsy mahavoavaha ny olana ireo sendika ireo tamin’ny 5 marsa lasa teo saingy tsy mbola nahitam-bokany izany ary izao tonga amin’ny fitokonana faobe izao. « Mangataka tsy misy fepetra izahay ny fametraham-pialan’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Ministera tsy mahavoavaha olana. Raha misy ny fizirizirian’izy ireo tsy hanatanteraka izany dia mitodika aminareo ambaratongam-pahefana manapaka faratampony eto amin’ny firenena ny hanesorana azy ireo tsy misy hatak’andro eo amin’ny toerany ka hanendry olona mahalala sy mahafehy ny asa sady afaka hihaino ary hamaha ny olana mianjady amin’ny Corps de l’Inspection du Travail », hoy ny ampahany tamin’ny fanambarana niraisan’ny SAIT sy ny Collectif des Contrôleurs du travail. Nilaza ny Sekretera Jeneralin’ny Syndicat Autonome des Inspecteurs du Travail, Dera Randrianarivony nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety omaly fa efa dingana maro no notanterahan’izy ireo mialohan’ny nirosoana amin’izao fitokonana faobe izao.
Nambarany fa raha ny fenitra mantsy, orinasa iray tokony ho voatsidiky ny Inspecteurs du travail in-dray isan-taona ary in-droa isan-taona kosa no tokony hisy ny « contrôle ». « Tsy izany anefa no zava-mitanga eto Madagasikara satria vitsy ny isan’ny Inspecteurs du travail. Raha ny ara-dalàna dia Inspecteurs du travail iray ho an’ny olona 60.000 farafahabetsany, ny eto amintsika kosa mbola 150 ihany ny Inspecteurs du Travail kanefa ny mponina mahatratra ny 25 tapitrisa », hoy hatrany ny Sekretera Jeneralin’ny SAIT. Mavesatra araka izany ny asa sahanin’ny Inspecteurs du travail sy ny Contrôleurs du travail ary misy fiatraikany goavany eto amin’ny firenena ny tsy fiasan’izy ireo. Tsikaritra tokoa mantsy fa misy ny orinasa may, tsy vitsy ihany koa ny mpiasa mamoy ny ainy teo am-perinasa noho ny tsy fisian’ny fanaraha-maso eny anivon’ireny toeram-piasan’ireny. Araka ny fanambarana ihany, nanamafy ny fahavononany amin’ny fampidinihana amin’ireo ambaratongam-pahefana ambony ny SAIT sy ny Collectif des Contrôleurs du travail momba ny famahana izao fitakiana izao.

RSM

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930