Madatopinfo

 Flash Info

MPITORITENY HO AN’NY FILAZANTSARA: Lohahevitra maro no nifampizarana nandritra ny konferansa

MPITORITENY HO AN’NY FILAZANTSARA: Lohahevitra maro no nifampizarana nandritra ny konferansa

MPITORITENY HO AN’NY FILAZANTSARA: Lohahevitra maro no nifampizarana nandritra ny konferansa
novembre 30
06:30 2020

Notontosaina teny amin’ny Les Colonnades Bypass ny tontolo andron’ny sabotsy 28 Novambra lasa teo ny andiany voalohany tamin’ilay hetsika antsoina hoe: « Mpitoriteny ho an’ny Filazantsara » izay nokarakarain’ny Madagascar 3M ( Mpitoriteny Mpitandrina Mpanompo ). Lohahevitra manodidina ny Fitoriana ny Filazantsara avokoa no nentin’ireo mpampianatra miisa 6 avy amina antokom-piangonana sy fikambanana krisitiana samy hafa nitondra ny fampianarana nandritra ny konferansa. « Hamerina indray ny maha laharam-pahamehana ny Filazantsara ho an’ny kristiana no anton’izao konferansa izao ary tanjona ny hampiseho fa iray avokoa ny kristiana rehefa tena ny fahamarinana ny tenin’Andriamanitra no iombonana », hoy ny Talen’ny Madagascar 3M, Faly Ravoahangy. Solontenam-piangonana mihoatra ny 25 kosa no nanatrika ny fotoan-dehibe « Mpitoriteny ho an’ny Filazantsara » . Isan’ny vinan’ny Madagascar 3M rahateo ny fiombonana manodidina ny tenin’Andriamanitra sy ny Filazantsara marina. Araka ny fantatra, hanentana sy hamelombelona hatrany ny Fitoriana ny Filazantsara eny amin’ny fiaraha-monina rehetra eny ireo mpandray anjara ireo aorian’ity hetsika ity. Tsiahivina moa fa niforona tamin’ny volana Aogositra 2017 ny Madagascar 3M ary misokatra ho an’ ireo olon-tsotra sy antokom-piangonana rehetra maniry ny hiara-hiasa amin’izy ireo ny varavarana.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930