Madatopinfo

 Flash Info

FIATREHANA NY COVID-19: Nanolo-tanana ny Kaominina Antananarivo renivohitra ny orinasa Vitogaz

FIATREHANA NY COVID-19: Nanolo-tanana ny Kaominina Antananarivo renivohitra ny orinasa Vitogaz

FIATREHANA NY COVID-19: Nanolo-tanana ny Kaominina Antananarivo renivohitra ny orinasa Vitogaz
mai 20
07:40 2020

Notanterahana ny marainan’ny talata 19 Mai teny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra sy ny orinasa Vitogaz. Niompana indrindra tamin’ny sosialim-bahoaka ity fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta ity. Misy mantsy ireo olona tsy manan-kialofana manodidina ny 750 noraisin’ny CUA an-tanana eny amin’ny Ivon-toerana natokana ho amin’izany eny Isotry sy Anosizato. Isan’ireo tohana raha ho an’ny CUA manokana ny fikarakarana sy ny ny sakafon’ireo olona tsy manan-kialofana ireo ka noho izany indrindra no nahatonga ny orinasa Vitogaz nitondra ny anjara birikiny avy hatrany. Nanolotra fatana gazy miisa roa sy « Vitogaz » mahatratra 20 tavoahangy amin’ny 9 litatra mba hisitrahan’ireo olona ireo sakafo ara-pahasalamana, madio ary miaro ny tontolo iainana indrindra amin’izao vanim-potoana fahamehana ara-pahasalamana sy fihibohana izao ity orinasa ity.
Ankoatra izay, nohamafisin’i Tale ara-barotry ny orinasa Vitogaz, Angelin Rabezandrina nandritra ny tafa niarahana tamin’ny mpanao gazety tamin’io fotoana io ihany koa fa nahitana fihidinany ny saran’ny entona fandrehatra na ny « gaz » manerana an’i Madagasikara noho ny fidinan’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisampirenena. Nanambara ihany koa izy fa tsy misy atahorana na ahiahiana ny lafiny famatsiana satria ampy hiatrehana mandritra ny volana maromaro ny tahiry. Araka ny fantatra hatrany, efa niverina amin’ny laoniny ny famatsiana amin’izao fotoana izao raha nisy fikorotanana kely izany teo aloha, izany moa dia noho ny ezaka sy fanaraha-maso niarahan’ny orinasa Vitogaz tamin’ireo mpaninjara mpamongady ary fantatra ihany koa fa tsy hisy ny famerana ny fividianana izany.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930