Madatopinfo

 Flash Info

TAKAITRA NAVELAN’I BATSIRAI: Nanolotra vary 57 gony ho an’ireo traboina ny CEAEM – FIMPIFIMA

TAKAITRA NAVELAN’I BATSIRAI: Nanolotra vary 57 gony ho an’ireo traboina ny CEAEM – FIMPIFIMA

TAKAITRA NAVELAN’I BATSIRAI: Nanolotra vary 57 gony ho an’ireo traboina ny CEAEM – FIMPIFIMA
février 08
16:30 2022

Mitohy hatrany ny fanampiana ireo mpiray tanindrazana niharam-pahavoazana vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai teto Madagasikara izay namoizana ain’olona sy naharava toeram-ponenana maro, manginy fotsiny ireo traboina maherin’ny 72.000. Isan’ny tonga nanolotra tolotanana teny amin’ny ivon-toeran’ny BNGRC Antanimora ny talata 8 febroary ny avy amin’ny Fiombonamben’ny fiangonana zandriny na ny « Confédération des églises et associations évangéliques de Madagascar ». Vary miisa 57 gony no fandraisana anjara natolotry ny CEAEM – FIMPIFIMA tamin’izany. « Izao hetsika izao no natao, ho fanohanana sy fanehoana firaisankina ho an’ny Malagasy niharam-boina ary tsy vao voalohany ny Fiombonamben’ny fiangonana zandriny no nanatanteraka voinkava-mahatratra tahaka izao fa saika isan-taona dia mitondra ny anjara birikiny hatrany izahay », hoy ny filohan’ny CEAEM – FIMPIFIMA, Pasteur Adolphe Randrianaivoravelona. Samy mandray anjara amin’ny tolotanana ihany koa moa ny isam-piangonana manoloana izao zava-mitranga eto amin’ny firenena izao. Fantatra fa manodidina ny 200 ny fiangonambe mpikambana izay ahitana trano fiangonana aman-jatony maro. Ankoatra izay, nankahery tanteraka ny Malagasy izy ireo indrindra ny voakasik’ity loza voajanahary ity ary laharampahamehana ho an’ity fikambanana ity ihany koa ny mitondra am-bavaka hatrany.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930