Madatopinfo

 Flash Info

LOHARANOMBATO, KAOMININA AMBAVAHADITOKANA ITAOSY : Nahita masoandro ny APHL sembana sy sahirana ara-pahitana

LOHARANOMBATO, KAOMININA AMBAVAHADITOKANA ITAOSY : Nahita masoandro ny APHL sembana sy sahirana ara-pahitana

LOHARANOMBATO, KAOMININA AMBAVAHADITOKANA ITAOSY :  Nahita masoandro ny APHL sembana sy sahirana ara-pahitana
juin 11
08:36 2021

Tafatsangana ny marainan’ny 8 Jiona teo ny fikambanan’ny olona manana fahasembanana ao amin’ny kaominina Ambavahaditokana, fokontany Loharanombato izay manana ny birao fiasany ao Ambohikely. Nambara ofisialy ary fa APHL, na association des personnes handicapées de Loharanombato no anarana hisaloran’izany fikambanana izany. Tsy mananavaka karazam – pahasembanana ny fikambanana araka ny nambaran’ny filohany. Ny fitsanganan’izany dia vokatry ny tantsoroka nataon’ny ONG MERCI izay miasa ho an’ny olona manana fahasembanana eto Madagasikara Io fikambanana io dia tarihin’ny olona manana fahasembanana ara – batana iray Mme Georgia izay tena mavitrika sy vonona hitondra ary hampiroborobo izany fikambanana izany.

Manam-pahefana vitsivitsy no nanatrika sy nanome voninahitra ireto olona manana fahasembanana nivondrona ireto, teo ny solontenan’ny loholona, ny Project Officer ny ONG MERCI, RinaHerilanto Rakotovahiny; ny avy amin’ny vovonan’ny olona manana fahasembanana eto madagasikara Josoa PFPH na plateforme des personnes handicapées de Madagascar, ny avy amin’ny Tetik’asa Mihary an’i Mahandry izay tohanan’ny CBM ihany koa, ny ben’ny tanàna avy ao ambavahaditokana, ny sefo fokontany, olontsotra sy manana fahasembanana maro tao amin’ny kaominina
Natomboka tamin’ny fandraisam – pitenenana ny fotoana ary nofaranana tamin’ny fizarana mofomamy izay nomanin’ireto olona manana fahasembanana ireto. Marihana etoana fa vokatry ny asan’ny ONG MERCI tamin’ny fiarovana ny zo sy fanentanana ny olona manana fahasembanana tamin’ny alalan’ny fampandrosoana ifotony ho fampiatiana azy ireo no nahatonga izao fanapahankevitry ny olona manana fahasembanana izao.
ONG MERCI
Ny Ong merci dia fikambanana tsy miankina misehatra sy miasa ho an’ny olona manana fahasembanana eto Madagasikara izay tarihin’ny Ramatoa kely Holiniaina Rakotoarisoa tale mpanatanteraka, manana fahasembanana ara – pahitana. 11 taona izay no nijoroan’izany fikambanana izany. Manatanteraka tetik’asa iray izy amin’ity taona 2021. Manatanteraka tetik’asa iray izy ity taona 2021 ity hatramin’ny taona 2023, dia ny tetik’asa VOIZO Analamanga izay tohanan’ny mpamatsy vola CBM. Ao anatin’izany tetik’asa izany ny hampiroboroboana ny zon’ny olona manana fahasembanana amin’ny lafiny ara – tsosialy, fahasalamana, fiofanana sy fampananan’asa ary fanabeazana izay mitondra azy ireo ho amin’ny fahaleovan – tena maharitra.

La Rédaction

Articles similaires

0 Commentaire

Aucun commentaire sur cet article!

Soyez le premier à commenter!

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930