Madatopinfo

 Flash Info

ANMCC: Hankalaza ny fahadimy taonany eny Antaninarenina ny 18 Mey hoavy izao

ANMCC: Hankalaza ny fahadimy taonany eny Antaninarenina ny 18 Mey hoavy izao

ANMCC: Hankalaza ny fahadimy taonany eny Antaninarenina ny 18 Mey hoavy izao
mai 14
19:12 2022

« ANMCC, dimy taona niarovana ny mpamokatra malagasy ». Feno 5 taona katroka amin’ity taona 2022 ity ny nijoroan’ny Fahefam-pirenena miandraikitra ny fepetra fanitsiana ara-barotra na ANMCC. Ny alarobia 18 Mey hoavy izao no hanatanterahana izany fanamarihana izany eny amin’ny zaridaina ORTANA Antaninarenina. Hiavaka ny fankalazana ny fahadimy taonany satria hisy ny tranoheva maro ahitana varotra fampirantiana handraisan’ireo indostria nahazo tombotsoa tamin’ny fiarovana nataon’ny ANMCC anjara, eo ihany koa ireo sampan-draharaha mpiara-miasa aminy toy ny OMAPI, ny SIM, sy ireo laboratoara miara-miasa ao anatin’ny sehatra fanondranana sy ny fanafarana entana. Mamaim-poana ny fidirana mandritra ity hetsika ity, ary hisokatra amin’ny 8 ora sy sasany kosa ny vavahady. Ankoatra ny varotra fampirantiana, ho hita amin’io fotoana io ihany koa ireo lalao sy fanentanana isan-karazany. Ny tolakandro kosa, hisy ny famelabelaran-kevitra arahina ady hevitra izay hotontosaina eny amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny Indostria Antaninarenina (CCIA). « Fomba iray hampahafantarina ny olona ny andraikitry ny Fahefam-pirenena miandraikitra ny fepetra fanitsiana ara-barotra ity hetsika ity. Efa mitety faritra ihany koa ny ANMCC ahafahan’ny olona izay mahatsiaro voamafy ao anatin’ny sehatr’asan’ny fandraharahana ataony mitondra fitairanana eo anivon’ny ANMCC mba hahafahana manokatra fanadihadiana sy mijery ny fepetra fiarovana hapetraka », hoy ny Tale Jeneralin’ny ANMCC, Barthelemy nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety ny zoma 13 Mey lasa teo teny amin’ny foiben-toerany eny Antanimena. Tsiahivina moa fa niforona tamin’ny volana Mey 2017 ny ANMCC izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, ny fiarovana ny mpamokatra eto an-toerana raha toa ka misy ny fitobahan’ny vokatra avy any ivelany, eo ihany koa ny fandikan-dalàna fifaninanana ka miteraka fahavoazana an’ireo orinasa eto an-toerana. Tao anatin’izay 5 taona nijoroan’ity Fahefam-pirenena ity, maro ny ezaka efa vita tahaka ny teo amin’ny lafiny fanafarana paty. 7.000 taonina monja no paty novokarina teto an-toerana tamin’ny nanombohana ny fanadihadiana ny taona 2018, raha toa ka 52.000 taonina no ilaintsika ka 40.000 taonina mahery izany nafarana avokoa. Rehefa nipetraka ny fepetra fiarovana anefa ny faraparan’ny taona 2021, 41.000 taonina no paty vokatra teto an-toerana, nihena 19.000 taonina izany sisa no nafarana. Araka ny fanazavana voaray hatrany, misy orinasa 3 an-dalam-pamokarana paty eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ary vinavinaina ny hahatrarana ny tanjona ary mety hihoatra mihitsy aza izany.

Mickah R.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031