Madatopinfo

 Flash Info

ORANGE DIGITAL CENTER: Hotokanana tsy ho ela eto Madagasikara

ORANGE DIGITAL CENTER: Hotokanana tsy ho ela eto Madagasikara

ORANGE DIGITAL CENTER: Hotokanana tsy ho ela eto Madagasikara
janvier 14
08:15 2021

Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny Orange Solidarité Madagascar sy ny GIZ (Deutsche Gesellschaft für Internationale Zusammenarbeit) ny amin’ny fanampiana amin’ny fampivelarana ara-pahaiza-manao nomerika tanora 20 000 farafahakeliny ary hamorona asa 8000 any amin’ny firenena manerana ny firenena 14 ao amin’ny faritra Afrika sy Moyen Orient. Ankehitriny, tontosa indray ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta izay niompana tamin’ny Orange Digital Center (ODC). Raha ny fantatra, tanjon’izao fiaraha-miasan’ny Orange Solidarité Madagascar sy ny GIZ izao dia ny hahatonga ny haitao nomerika hisitrahan’ny rehetra. Ny GIZ sy ny Fondation Orange rahateo mizara vina amin’ny fampandrosoana ao anatin’ny sehatry ny tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy eo anivon’ny Firenena Mikambana ary miasa hanatsara ny rafitra ara-tsosialy sy toekarena ary hanohana ny tanjon’ny governemanta Malagasy mba hahatonga ny haitao nomerika ho matanjaka ho an’ny fampandrosoana. Ny Orange Digital Center mantsy dia fandaharan’asa miainga amin’ny fiofanana nomerika ho an’ny tanora ka hatrany amin’ny fanohanana ireo mpandraharaha. Ny ODC izay miorina amin’ny renivohi-pirenena tsirairay dia mikendry ihany koa amin’ireo faritra eto Madagasikara amin’ny alàlan’ny ODC Clubs izay haparitaka ao anatin’ny oniversite mpiara-miombon’antoka. Efa natomboka tany Tunisie sy Sénégal ny Orange Digital Center ary hotokanana tsy ho ela eto Madagascar. Haparitaka any Maroc, Jordanie, Ethiopie, Mali, Cameroun, Sierra Leone, Côte d’Ivoire, Egypte, Burkina Faso, Guinée ary Libéria ihany koa izy io. Ny Orange Madagascar sy ny GIZ araka izany dia manampy hatrany amin’ny fampiroboroboana ny fampidirana nomerika sy ny fihenan’ny tahan’ny tsy fananan’asa eo amin’ireo tanora voaofana.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930