Madatopinfo

 Flash Info

TEACH FOR MADAGASCAR: Hifarimbona amin’ny fanatsarana ny kalitaom-panabeazana eto Madagasikara

TEACH FOR MADAGASCAR: Hifarimbona amin’ny fanatsarana ny kalitaom-panabeazana eto Madagasikara

TEACH FOR MADAGASCAR: Hifarimbona amin’ny fanatsarana ny kalitaom-panabeazana eto Madagasikara
juillet 31
10:36 2023

Tetikasa niforona tamin’ny taona 2014 ny Teach for Madagascar na TFM ary lasa ONG kosa ny taona 2021, fikambanana izay misehatra amin’ny lafiny fanabeazana eto Madagasikara. Tanjon’ny fikambanana ny hampiakatra ny kalitaom-pampianarana indrindra eny amin’ny sekolim-panjakana. Nandritra izay taona maro nijoroany izay, mihoatra ny 3.000 ny mpianatra malagasy nisitraka ny tetikasa. Singa iray ifantohan’ny Teach for Madagascar ny “Let’s connect” izay mampiofana ny mpampianatra FRAM, manampy azy ireo amin’ny fomba fampitàna fahalalana amin’ny alalan’ny paikadin’ny TFM. Eo ihany koa ny “Let’s read” izay hamoha indray ilay fitiavana mamaky boky taratasy. Tetikasa ao anatin’ny “Let’s read” ny Diary Nofy. “Tamin’ny edisiona voalohany, nahitana tantara 5 ny boky ary 30.000 isa no natonta sy nozaraina mamaim-poana ho an’ny mpianatra, tamin’ity kosa, ahitana tantara 6 ny ao anatin’ny Diary Nofy”, hoy ny mpandrindra ny tetikasa TFM, Harison Rado Patrick. Malagasy avokoa ny mpanoratra ao anatin’ny boky, efa voafantina sy nanaraka fiofanana daholo izy ireo, ary mbola 30.000 boky ihany koa no vina aparitaka. Hanomboka ny volana Janoary 2024 kosa no hozaraina manerana ny Nosy izany raha ny voalazan’ny tompon’andraikitra hatrany. Tamin’ny tetikasa TFM, niisa 41 ireo mpilatsaka an-tsitrapo notolorana mari-pakasitrahana tetsy amin’ny Campus Telma Andraharo ny sabotsy 29 Jolay lasa teo. Lanonana izay mikendry ny hankalaza ny zava-bitan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo, hanasongadinana ny anjara birikiny tsy misy fitiavan-tena ary hanentana ny hafa hanatevin-daharana ny hetsika. Nanomboka ny 22 Janoary ka hatramin’ny 23 Jona teo no nitondran’ireto mpilatsaka an-tsitrapo ireto ny fandaharan’asa Andao hampianatra – andao hamaky – andao hifandray amin’ireo sekolim-panjakana 55 eto Mahajanga, Fianarantsoa, ​​Antananarivo, Morombe, Toliara ary Ranomafana. Reharehan’ny TFM ireo mpilatsaka an-tsitrapo rehetra izay modely amin’ny fiaraha-monina noho ny fanoloran-tena sy ny fanoloran-tenany na dia eo aza ny fanamby sy ny sakana rehetra.
Isaorana ihany koa ny filankevi-pitantanana, ny mpiasa, ny mpampiofana, ny intern ary ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny tetikasa 2023, nanomboka ny volana Janoary ka hatramin’ny Jona isan’izany ny Telma Madagascar sy ny Fondation Axian, Friends of Madagascar – FoM », hoy hatrany ny mpandrindra. Amin’ny volana oktobra hoavy izao moa no hisokatra indray ny fisoratana anarana ho mpilatsaka an-tsitrapo ary ho hita ao amin’ny pejy facebook Teach for Madagascar avokoa ny andinindininy mahakasika izany ho an’ireo maniry ny handray anjara.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930