Madatopinfo

 Flash Info

LISEA SABOTSY NAMEHANA: Misitraka ny fotodrafitrasa « biodigesteur » ny sekoly sy ny manodidina

LISEA SABOTSY NAMEHANA: Misitraka ny fotodrafitrasa « biodigesteur » ny sekoly sy ny manodidina

LISEA SABOTSY NAMEHANA: Misitraka ny fotodrafitrasa « biodigesteur » ny sekoly sy ny manodidina
février 26
06:35 2021

Isan’ireo olana iray mahatonga ny fahalotoan’ny tontolo iainana ny fisian’ny fako mivangongo sy miparitaka etsy sy eroa sy. Paikady goavana iray hialana amin’izany ny fanodidina ny fako ho lasa angovo azo avaozina. Izany indrindra no nahatonga ny Fondation Axian manohana ny tetikasa « biodigesteur » izay nahazoan’ny mpianatra ao amin’ny Lisea Andrianampoinimerina Sabotsy Namehana (LASN) ny amboara tamin’ny fifaninana « Énergie de l’Océan Indien ». Miaro Fandresena Veloarivony, Herinomena Randrianarimanana ary Safidiniaina Randrianariliva kosa no nitambatra ho vondrona iray ka nahazoana izao vokatra izao. Ity fifaninana ity moa dia notanterahana ny taona 2019. Mifanentana amin’ny sehatra iadidian’ny Fondation Axian rahateo moa ny tetikasa tahaka izao, dia ny amin’ny lafiny fampiroboroboana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy izany.
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny alarobia 24 febroary lasa teo tao amin’ny LASN kosa ny fotodrafitrasa « biodigesteur ». « Anisan’ny tombony lehibe ateraky ny biodigesteur ho an’ny Lisea ny ahafahana mamorona etona fandrehatra ampiasaina amin’ny fandrahoan-tsakafo eo anivon’ny sekoly, ahazoana herinaratra ihany koa ity fotodrafitrasa ity ary efa misy efitrano fianarana roa misitraka jiro ankehitriny », hoy ny Proviseur LASN, Ravonirina Andrianantenainasolo. Araka ny fanazavana, ny tain’omby milanja 100 kilao na fako bilojika 150 kilao dia ahazoana etona 7 metatra toratelo izay ahafahana mampiasa fatana mandritra ny iray andro, na fatana tapak’andro ary jiro ny tapan’ny hariva. Raha ny eo amin’ny lafiny fanangonana ireo akora fototra indray kosa dia nanazava izy 3 mianadahy nahazo ny amboara fa maharaka tsara hatreto satria mandray anjara mavitrika amin’izany ny mpianatra izay mitondra fako biolojika avy any an-tokantranony tsirairay. Misy ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny Kaominina ambanivohitra Sabotsy Namehana amin’izany. Tsy sambany akory ny Fondation Axian no nanohana ny « biodigesteur » fa efa fanindroany ity ao amin’ny LASN ity. Ny tompon’andraikitry ny serasera ao aminy, Claudia Ravelonjato izay nanome hafatra ho an’ny mpiray tanindrazana fa: « mahasoa ny fako, aza ariana fa angony amin’ny toerana voatokana amin’izany ».
Nanatrika ity lanonam-pitokanana ity moa ny solontenan’ny Ministeran’ny fanabeazampirenena; ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina ambanivohitra Sabotsy Namehana; ny Tale mpanatanteraka eo anivon’ny Fondation Axian, Isabelle Salabert, ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ny fianakaviamben’ny Lisea Andrianampoinimerina Sabotsy Namehana.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930