Madatopinfo

 Flash Info

FIANGONANA JESOSY MAMONJY : Mankalaza ny faha-60 taona ny 28 Jona ka hatramin’ny 2 Jolay

FIANGONANA JESOSY MAMONJY : Mankalaza ny faha-60 taona ny 28 Jona ka hatramin’ny 2 Jolay

FIANGONANA JESOSY MAMONJY : Mankalaza ny faha-60 taona ny 28 Jona ka hatramin’ny 2 Jolay
juin 29
08:55 2023

Taona 1963 ka hatramin’ny 2023, feno 60 taona katroka ny nijoroan’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy. Entina hanamarihana io fotoan-dehibe manan-tantara ho an’ny mpino eo anivon’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy io, ho feno ny fandaharam-potoana ny alarobia 28 Jona ka hatramin’ny alahady 2 Jolay ho avy izao izay ivon’ny fankalazana raha ny fanazavana nentin’ny Mpitandrina sady mpanolontsaina ao amin’ny Biraon’ny Firaisan’ny Mpitandrina, Ratovondriaka Harindranto. Ny alarobia 28 Jona nanomboka tamin’ny 11 ora maraina ny fanokafana ny fankalazana teny amin’ny Foibe Ankorondrano, natrehan’ireo mpino rehetra na avy eto an-toerana na ny avy any amin’ny Faritra, teo ihany koa ireo avy amin’ny Fiangonana rahavavy. Narahina seminera isan-tsokajiny izay hitohy ka hatramin’ny zoma 30 Jona, tafiditra ao anatin’nizany ny seminera ho an’ny vadina Mpitandrina, ho an’ny mpitendry zavamaneno, ho an’ny Biraom-piangonana, ho an’ny tanora. Mandritra ny fotoam-pankalazana, handray anjara hatrany ny Sampana fiderana. Hisy ihany koa ny filazantsara anaty ho an’ny tapany hariva ny alarobia sy alakamisy ary hiampy fandefasana horonantsary tahirin-kevitra ara-tsary sy tantara mirakitra ny tantaran’ny fiangonana Jesosy Mamonjy eny amin’ny Foibe Ankorondrano hatrany ny tolakandron’ny zoma. « Ny sabotsy no hanatanterahana ny fitoriana filazantsara ivelany eny amin’ny Coliseum izay hatrehan’ireo manam-pahefana sy hanasana ireo fiangonana rahavavy. Ho an’ny alahady 2 Jolay kosa, hisy ny fotoam-bavaka lehibe hitondrana ny hafatr’Andriamanitra izay hotontosaina eny amin’ny amin’ny Foibe Jesosy Mamonjy Ankorondrano ny tapany maraina, mandritra izany ihany koa no hanokanana Mpitandrina sy Evanjelistra miisa 231 mianadahy », araka ny fanampim-panazavana. Ankoatra izay, hanamarika ity fankalazana ity ny fametrahana ny takelam-pahatsiarovana ho an’ny fankalazana ny faha-60 taona sy ny tsangambaton’ny faha-60 taona, isan’izany ny fanavaozana ny toerana nisy ny mpamorona ny Jesosy Mamonjy sy ny fanatsarana ivelany sy anatin’ny trano fiangonana. Tsiahivina fa ankoatra ny eto Madagasikara, efa misandrahaka manerana ny Firenen-kafa ny fiangonana Jesosy Mamonjy toa ny any Frantsa, Allemagne, Canada, Amerika, Mayotte sy Nosy La Réunion0. Nohamafisin’ny mpandrindra sady Komity mpanomana ny faha-60 taona, Lalah Rivoharimanana fa milamina ny eo anivon’ny fiangonana Jesosy Mamonjy amin’ny alalan’ny fanampiana sy ny fintantanan’Andriamanitra ary nanolotra ny teny fankasitrahana ho an’ny Fitondram-panjakana izy ireo noho ny fanomezana alalana malalaka hanatanteraka ity fankalazana ny faha-60 taona ity, tsy adinon’ireo tompon’andraikitry ny fiangonana Jesosy Mamonjy ihany koa no nisaotra ny fiangonana rahavavy niara-miom-po tamin’izy ireo.

M.R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930