Madatopinfo

 Flash Info

ANKOAY LEHILAHY U19: Eo am-panomanana ny FIBA 2023 ny mpilalao, ny federasiona ary ireo mpiara-miombon’antoka

ANKOAY LEHILAHY U19: Eo am-panomanana ny FIBA 2023 ny mpilalao, ny federasiona ary ireo mpiara-miombon’antoka

ANKOAY LEHILAHY U19: Eo am-panomanana ny FIBA 2023 ny mpilalao, ny federasiona ary ireo mpiara-miombon’antoka
avril 08
09:00 2023

Isan’ireo firenena miisa 19 handray anjara amin’ny amin’ny tompon-daka maneran-tany amin’ny taranja Basketball «FIBA 2023» ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay lehilahy U19, fifaninana izay hotanterahana any Hongrie. Iray vondrona amin’ny Etazonia, Slovénie ary i Liban i Madagasikara mandritra izany. Mialohan’ny hiatrehana izany, hisy ny fanamafisana ny traikefa hananan’ny mpilalao. « Hamita fiofanana any Frantsa izy ireo mandritra ny andro maromaro, hanatanteraka ny fanazaran-tena sy lalao ara-pirahalahiana hiarahana amin’ny klioba ao Frantsa », hoy ny Filohan’ny Federasiona Malagasy Basketball, Jean Michel Ramaroson. Hatreto, ireto ny lisitry ny mpilalao Ankoay lehilahy U-19 voaantso hiatrika ity fiofanana any Chalon-sur-Saône ity raha ny nampahafantarina teny amin’ny Campus Telma Andraharo, omaly: Lovasoa Andriantsarafara, Jerry Pepin Rabibisoa, Rino Randimbiarivelo, Maharo Levah Mirando, Yves Victorien Emmanuel, Fabrizio Mickaël Patrick Heritiana, Richcard Be, Mariano Sylvain Tovolalaina, Laurent Tahintsoa Tsihindiny, Dina Randrianalinjafy, Davida Raharinaivo, Sydney Raolompanatena ary i Mathias M’Madi.
« Tombony ho an’ny mpilalao Ankoay lehilahy U-19 ny hafangainam-pandeha raha oharina amin’ireo ekipa iray vondrona amin’i Madagasikara », hoy i Malalatiana Razazarohavana, tompon’andraikitra eo anivon’ny FMBB. Ny mpilalao rahateo efa vonona ny handrombaka ny fandresena amin’ity andiany faha-16 ny FIBA izay hatao any Hongrie ity, amin’ny alalan’ny traikefa efa hananan’ny ekipa raha ny nambaran’ny kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay lehilahy U19, Lovasoa Andriatsarafara.
Mpiara-miasa hatrany amin’ny fanatanjahan-tena malagasy sy mpanohana ofisialy ny Ankoay U19 ny Telma Madagascar miaraka amin’ny Mvola.

M.R

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031