Madatopinfo

 Flash Info

MIG’L PROD: Hamerina ny fankafizan’ny olona ny sarimihetsika malagasy

MIG’L PROD: Hamerina ny fankafizan’ny olona ny sarimihetsika malagasy

MIG’L PROD: Hamerina ny fankafizan’ny olona ny sarimihetsika malagasy
juillet 17
18:12 2023

Mahatsikaiky, mampitaintaina, mahavariana, ireo no azo hamintinana ny « Iza? » izay novokarin’i Mig’L Prod nosoratan’i Raharilanto Herizo Mampiononona. Noho ny fahatsapan’ny mpamokatra fa tsy mitovy ny taloha, somary nihen-danja ny fitiavan’ny olona ny sarimihetsika malagasy amin’izao fotoana izao no namoahana ity vokatra vaovao ity. « Tanjona ny hamerenana indray izany fankafizan’ny malagasy izany. Miezaka izahay mpilalao, ny tranom-pamokarana sy ny ekipa teknika rehetra hanomezana fahafaham-po ho an’ny mpakafy », hoy i Naivo, mpilalao sarimihetsika. Horonantsary vaovao mintantara mpinamana roalahy tamina tanàna iray, noho ny fitiavantena diso toerana teo amin’ny anankiray anefa dia namosaviany ny namany mba hahafahany manjaka tokana.
Nahazo tombony ny teto Antananarivo, ny sabotsy lasa teo tamin’ny 10 ora maraina mantsy no nandefasana voalohany ity horonantsary malagasy ity teny amin’ny Plaza Ampefiloha. « Tamin’ny alalan’ny casting no nifantenana ny mpilalao ankoatran’ireo efa matihanina sy manan-talenta teo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika ary amam-bolana no nanatanterahana ny fanodinana ny horonantsary Iza? », hoy ny fanazavan’i Raharilanto Herizo Mampiononona, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Mig’L Prod. Tsy vitsy ireo miandry ny tohiny sahady, toa an’i Patricia R. , renim-pianakaviana sendranay teny an-toerana. Nohamafisiny fa efa avo lenta ity sarimihetsika vaovao ity sady natao ho an’ny mpianakavy, nasehon’ireo mpilalao ny maha matihanina azy ireo. Ankoatra ny eto Antananarivo araka izany, mbola hoavy hitety Faritra maro, ny 6 Aogositra ho avy izao dia handalo any Antsirabe i « Iza? », aorian’izay ny any Toamasina sy Mahajanga ary ny renivohim-paritany rehetra.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930