Madatopinfo

 Flash Info

TANA DESIGN WEEK: Hotanterahana eny amin’ny Gara Soarano ny andiany voalohany

TANA DESIGN WEEK: Hotanterahana eny amin’ny Gara Soarano ny andiany voalohany

TANA DESIGN WEEK: Hotanterahana eny amin’ny Gara Soarano ny andiany voalohany
février 26
12:15 2022

Isan’ny olana sedrain’ny mpanao asa tanana malagasy ny tsy fahafahana manavao ny vokatra ampiasainy, eo ihany koa ny entana mitobaka avy any ivelany ka manimba ny vita eto an-toerana. Ho fampiroboroboana ny tontolon’ny « designer », nampahafantarina tamin’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety teny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny hetsika goavana antsoina hoe: « Tana design week ». Hotanterahana ny 11 ka hatramin’ny 19 martsa ho avy izao eny amin’ny Gara Soarano ary « Indray andro … zava-manga arivo … » kosa no lohahevitra nosafidiana tamin’ity andiany 2022 ity. Araka ny fanazavan’ny mpikarakara, Dominique Sanji: « Hetsika ara-kolotsaina entina manandratra ny harem-pamoronana malagasy ity hotontosaina mandritra ity fotoana ity ». Betsaka mantsy ny zavatra azo trandrahana amin’ny asam-pamoronana eto an-toerana izay tsy voatery hijanona amin’ny nentim-paharazana ihany fa havaozina manaraka ny vanim-potoana ankehitriny. Iray amin’ireo lalana mahomby ahafahana manampy ny asa tanana rahateo ny design amin’ny alalan’ny fanaysarana sy ny fampivoarana ny asany ary hitondra azy ireo mankany amin’ny sehatry ny matihaninana kokoa.
Hiavaka araka izany ity Tana Design adiany voalohany ity mandritra ny 9 andro ity izay hiarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpanohana maro. Hisy ny famelabelaran-kevitra, fampirantiana, atrikasam-pamoronana, latabatra boribory sy ny maro hafa. Nanatrika ity fampahafantarana ity moa ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny Asa tanana sy ny Haitao, ny Talen’ny kolontsaina, ny kanto sy ny fiainam-piarahamonina eo anivon’ny Kaomina Antananarivo Renivohitra, teo ihany koa ny vadin’ny Ben’ny Tanàna CUA sady mpiahy ny hetsika Tana design week.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930