Madatopinfo

 Flash Info

FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA 2024: Nampiofanina ireo Mpanaramaso ny fifidianana ao amin’ny ivotoerana SAFIDY

FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA 2024: Nampiofanina ireo Mpanaramaso ny fifidianana ao amin’ny ivotoerana SAFIDY

FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA 2024: Nampiofanina ireo Mpanaramaso ny fifidianana ao amin’ny ivotoerana SAFIDY
avril 27
05:56 2024

Mivoatra hatrany ny tranga ara-pifidianana sy ny tontolo manodidina izany eto amin’ny firenentsika ankehitriny. Manoloana izany indrindra dia manamafy sy manatsara hatrany ny fahaiza-manao an’ireo Mpanaramaso ny fifidianana eo anivon’ny ivotoerana SAFIDY, hiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka, ny 29 Mey 2024 ho avy izao.
Mahatratra 2300 ireo mpanaramaso manerana ny Nosy miparitaka amin’ny distrika miisa 120. Notanterahana nanomboka ny faha 23, 24, 25 sy ny 26 aprily 2024 tao Antsirabe ny fanofanana ireo mpampiofana miisa 20 sy ny Mpanararamaso Tompon’Andraikitra eo amin’ny Distrika miisa 120. Ireo dia mbola hiparitaka hampiofana ireo mpanaramaso fifidianana namany eny anivon’ny kaominina na ny TAK sy eny anivon’ny Fokontany hanara-maso any amin’ny Biraom-pifidianana.
hAhafahan’izy ireo mahafantatra sy mifehy ny fomba fanangonam-baovao, ny fitaovana ara-teknika ampiasaina sy ny ny tatitra rehetra momba ny vokatry ny fanaraha-maso ny fifidianana moa no anton’io fiofanana io raha ny vaovao voaray. Anisan’ny zava-baovao ampitaina amin’ny fiofanana ny fikirakirana ny teknolojiam-pifandraisana moderna toy ny antso na soratra maro sosona, sy ny fampiasana aterineto ary ny tambazotra sosialy.
Maro ireo taranja-piofanana sitrahan’izy ireo tahaka ny : maha zava-dehibe ny fifidianana eny ifotony (élection de proximité), ny andrikitry ny Solombazavambahoaka sy ny fomba fifidianana azy ireo, ny lalàna mahakasika ny fifidianana, ny tetiandro-pifidianana sy ny antsipirihany mandrafitra izany, ny fampiasana ny laharana maitso tsy misy sarany, ny famenona ny pitsopitsony amin’ny fisy fanaraha-maso ny fifidianana mandritra ny fampielezan-kevitra, ny andro fahanginana, mandritra sy aorian’ny ny andro-pifidianana ny fanaraha-maso ny SRMV, eo ihany koa ny fanaraha-maso ny CENI foibe. Ny fanatanterahana ireo asa ireo dia arahina fitsipika fifampifehezana matotra ao anatin’ny fanajana ny fenitra sy ny soa toavina maha mpanara-maso ny fifidianana.
Nisafidy ny hirotsaka ho Mpanara-maso fifidianana ireo tanora, vehivavy ary ny manana fahasembanana nohon’ny fahatsapany ny adidy masina amin’ny maha olompirenena mandray andraikitra sy amin’ny maha mpikambana feno azy ireo ao amin’ny firaisamonim-pirenena. Manana fototra hijoroany ireo Mpanara-maso ny fifidianana ireo, ka tsy voasanda vola na mora andairan’ny tsindry, fa vonona hiaro hatramin’ny farany ny safidim-bahoaka sy hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanamafisana ny demokrasia sy fanajana ny tany tan-dalàna ary ny fampanajana ny zo fototra maha olona eto Madagasikara.

RSM

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031