Madatopinfo

 Flash Info

FAMPIANARANA AMBONY ISMATEC : 73 ireo nandalo “sedra” nahazo diplaoma

FAMPIANARANA AMBONY ISMATEC : 73 ireo nandalo “sedra” nahazo diplaoma

FAMPIANARANA AMBONY ISMATEC : 73 ireo nandalo “sedra” nahazo diplaoma
juillet 05
08:31 2021

Tsy vitsy tamin’ireo mpianatra no efa nikasa hanararaotra asa avy amin’ny Fanjakana, tao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana fa niandry ity diplaoma ity. Saingy noho io fahamehana io ihany, maro koa tetsy andaniny ireo ivon-toeram-pitsaboana no tsy nandray mpanao “stage” noho ny fipariahan’ny Covid19 ka voatery niandry ireo tsy nahavita asa andrana ireo ny sekoly. Fahendrena ombana hatsaram-panahy hatrany no hafatra ho an’ireo mpianatry ny ISMATEC navoaka teny Ambohimangakely ny mialohan’ny faran’ny herinandro teo.
Fisedrana! Nahatratra telo ambifitopolo ireo Mpianatra andiany « Tafa » sy « TAMIA » izay nahavita fianarana ambony ISMATEC na « Institut des Sciences Médicales, de l’Administration et de Technologie” no navoaka tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny toeram-pilanonana Ambohimangakely, ny zoma 2 Jolay teo. Avy tamina lalam-piofanana mpampivelona, mpitsabo mpanampy, fitantanana, serasera sy dimplomasia, lalàna ary BTP izy ireo. Araka ny fampitam-baovao nandritra ireo kabary nifandimbiasan’ny manampahefana, indrindra ny Tale Jeneralin’ity Fampianarana ambaratonga ambony tsy miankina ISMATEC ity : « Sambany teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao izany tsy fahazoan’ny olompirenena mivoaka ny trano izany, noho ny valan’areti-mandoza coronavirus. Noheverina fa ny volana Desambra farany teo no tokony navoaka tamin’ny fomba ofisialy ireto mpianatra ireto, saingy tao ireo tsy nahafeno fepetra tamin’ny naoty sy ny taranja ary ny «stage», indrindra tany amin’ireo ivon-toeram-pitsaboana ka voatery nifampiandry.» Hoy i Sibèle Rafenomanantsoa.
Tsy vitsy tamin’ireo mpianatra sendra ny mpanao gazetinay no nankasitraka tanteraka ny fizarana diplaoma, na mbola anaty hamehana ara-pahasalamana aza. Voahaja mantsy ny fepetra ara-pahasalamana tahaka ny elanelana iray metatra ary efa napetraka teny amin’ny toeran’ireo nahavita fianarana avokoa ny maripahaizany avy, mba hiarovana ny mety ho fiparitahan’ny valanaretina Covid19. Ao koa anefa ireo efa niandry fatratra ity diplaoma ity, indrindra ireo mpitsabo mpanampy sy mpampivelona izay nahavita tanteraka ny fianarana tandrify azy ka nikasa hanararaotra ireo fandraisan’ny Ministeran’ny Fahasalam-bahoaka ho mpiasam-panjakana, indrindra tamin’ny andiany faharoan’ny fihobohana farany teo.
Nanitrikitrika mahakasika ny mahazava-dehibe ny fahaizana sy ny fahendrena ary ny hatsaram-panahy amin’ireto mpianatra andeha hiantsehatra amin’ny asa ireto ny ray mpiahy azy ireo, ny lehiben’ny holafitry ny mpitsabo mpanampy, Urbain Rakotonirina . Ity farany moa dia nijoro vavolombelona fa maimaim-poana ny fanompoana vahoaka ary nambarany fa efa nitazona andraikitra maro izy fony nitantantana ireo “Centres de Santé de Base » na CSBI sy CSBII .  » Tsara lavitra noho ny volamena ny fahendrena, tsara lavitra noho ny volafotsy ny fahalalana ». Ohabolana 16,16. Ankoatra io Tenin’Andriamanitra io dia nitondrany fananarana ihany koa ny tantaran’ny Samaritanina Tsara fanahy, ao anaty Baiboly hatrany. Mila mpampivelona sy mpitsabo mpanampy ary mpiasa amin’ny sehatra hafa feno tsikitsiky sy tsy mikitakita ary maimaim-poana ny olompirenena, hoy hatrany izy.
Lova tsy mifindra
Notsipihin’ny Tale Jeneralin’ny Groupe ISMATEC moa, fa mila ampidirina anaty zotram-piofanana entina hitadiavana asa ny andrana asa maro nanovozana fahaizana sy traikefa. “Soraty ao anaty CV avokoa ny “stage” rehetra natao fa izany no takian’ny vanim-potoana ankehitriny.” Hoy i Sibèle Rafenomanantsoa. Amin’ny maha-mpandraharaha sy maha-mpanabe, indrindra amin’ny maha-renim-pianakaviana ity farany dia navoitrany ihany koa ny filana fahamatorana eo amin’ny seham-piainana maro . «Manomboka tomponandraikitra tanteraka, ianareo izao ! Mahaiza koa misafidy ny vady ho an’ny tokatrano.» Hoy hatrany ny Lehiben’ny Fampianarana ambony tsy miankina ISMATEC. Nifanojo tamin’io avy hatrany moa ny hafatry ny ray mpiahy voalaza etsy ambony fa afaka mifampaka vady ireo mpianatra. “Ao maka vady! Tian’ny Fanjakana mihitsy ny rasazy sy ny mpitsabo mpanampy mifanambady. Izaho manokana izay mpitsabo mpanampy dia nahazaka ary nanambady mpampivelona.” Hoy i Urbain Rakotonirina, Lehiben’ny holafitry ny mpitsabo mpanampy. Nampirisihiny araka izany ny lova tsy mifindra amin’ny mpampivelona sy ny mpitsabo mpanampy izay samy amin’ny sehatry ny fahasalamana.
Orinasan-tserasera vahiny
Anisan’ny tonga nanome voninahitra izao lanonana izao moa ireo olomanan-kaja maro tahaka ny Filohan’ny holafitry ny mpitsabo mpanampy, ny Lehibe sy ny Lefitry ny holafitry ny mpampivelona, solontenan’ny Direction des Instituts des formations en paramédicaux de Madagascar, ny mpiara-miasa eo amin’ity sekoly ambony ity, ny mpampianatra, ny solontenan’ny orinasa na andrim-panjakana nanaovan’ny mpianatra “stage”. Anisan’izany solontenan’ny nanaovana stage teo anivon’ny serasera izany Christophe Angelo Rahajanirina, sady mpampianatra mpikaroka miantsehatra ao amin’ny sekoly ambony ISMATEC no Talen’ny Famoahana an’ny orinasan-tserasera MadaTopInfo sy Gazette Madagascar izay gazetin’ireo teratany Malagasy any Eoropa sy Azia.
Izahay ekipan’ny orinasan-tserasera MadaTopInfo sy Gazette Madagascar manana ny foibe any Paris sy Philippines dia miarahaba ny ankohonamben’ny Groupe ISMATEC amin’izao famoahana mpianatra ambaratonga ambony izao. Mankasitraka ny fiaraha-miasa hatramin’izay. Tsipihina etoana mantsy fa mbola maro ireo mpianatra anaty “stage” a,’io Sekoly ambony io no manatanteraka stage ao amin’ireo orinasan-tserasera ireo amin’izao fotoana hanoratana ny vaovao izao.

Sary : “Ireo mpitsabo mpanampy sy mpampivelona manatanteraka finianana”

Haja Nirina

Articles similaires

juillet 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
293031