Madatopinfo

 Flash Info

FOIRE INTERNATIONALE DE MADAGASCAR : Miavaka ny andiany faha-17 amin’ity taona ity

FOIRE INTERNATIONALE DE MADAGASCAR : Miavaka ny andiany faha-17 amin’ity taona ity

FOIRE INTERNATIONALE DE MADAGASCAR : Miavaka ny andiany faha-17 amin’ity taona ity
mai 11
15:10 2023

Fotoana iray hihaonan’ireo mpisehatra ara-toekarena rehetra na miankina na tsia ny Foire Internationale de Madagascar na FIM izay miditra amin’ny andiany faha-17 amin’ity taona ity. Tahaka ny isan-taona, eny amin’ny Hazovato Forello Expo no hanatanterahana izany ny alakamisy 11 Mey ka hitohy hatramin’ny alahady 14 Mey ho avy izao. Mahatratra 250 mahery ny mpandray anjara amin’ity FIM 2023 ity ary tranoheva manodidina ny 360.
Miezaka mampiseho ny maha hetsika iraisampirenena azy ny FIM, na eo amin’ny lafiny fanaingoana ny tranoheva izany na ihany koa ny vokatra hampirantiana na varotana izay mametraka ny fikajiana ny tontolo iainana. Nandritra ny lanonam-panokafana ny alakamisy tapany maraina, nanambara ny Ben’ny Tanàna Tanjombato fa mampirisika antsika hifandray hanavotra ny planeta izao hetsika izao. Manana anjara amin’izany avokoa na ireo orinasa voasokajy madinika, salantsalany sy lehibe. « Fanantenana mankany amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fisian’ny FIM, ary ihany koa mampivondrona ireo mpisehatra amin’ny fandraharahana rehetra na avy eto an-toerana na avy any ivelany », hoy i Harilala Ramanantsoa, solontenan’ny vehivavy mpandraharaha eto amin’ny Nosy Indiana eto Madagasikara sady mpikarakara ny FIM. Mampiavaka ity andiany ity ny fanomezana sehatra ho an’ireo vehivavy mpandraharaha manerana ny Nosy, eo ihany koa ny fisian’ny tolotra sy fanomezana manokana omen’ireo mpandray anjara hatramin’ny alahady.
Ankoatra ny varotra fampirantiana, hisy famelabelaran-kevitra ahitana lohahevitra samy hafa mandritra ny 4 andro. Nanome voninahitra sy nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ity hetsika ara-toekarena ity moa ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Heriniaina Razafimahefa, ny solontenan’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovainjafy niaraka tamin’ireo vahiny manan-kanja maro.

Mickah R.

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031