Madatopinfo

 Flash Info

MAHAMASINA: Hotokanana amin’ny fomba manetriketrika ny alakamisy 2 septambra ny kianja Barea

MAHAMASINA: Hotokanana amin’ny fomba manetriketrika ny alakamisy 2 septambra ny kianja Barea

MAHAMASINA: Hotokanana amin’ny fomba manetriketrika ny alakamisy 2 septambra ny kianja Barea
août 26
05:30 2021

Nampahafantarina omaly tao amin’ny efitrano natokana hihaonana an’ny mpanao gazety tao Mahamasina, ny mikasika ny fitokanana ny Kianja Barea izay nambara tamin’ny fomba ofisialy fa hotanterahana ny alakamisy 2 septambra ho avy izao. Isan’ireo fanamby nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin’ny vahoaka rahateo ny fanavaozana ity kianja izay manamarika ny tantaram-pirenena ity ary hijanona ho lovan’ny taranaka fara aman-dimby. Nanambara ny Sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, Gérard Andriamanohisoa fa tsy misy ahiana ny mety fahalovan’io fotodrafitrasa goavana io satria haharitra hatramin’ny 100 taona ny kianja raha eo amin’ny lafiny fanorenana ara-teknika. Nambarany ihany koa fa manaraka ny kalitao iraisampirenena ny Kianja Barea Mahamasina ary neken’ny FIFA. Ankoatra ny kianja filalaovam-baolina sy ny sehatra ho an’ny mpijery, ahitana toerana maro koa ao amin’ity fotodrafitrasa ity tahaka ny efitrano fatoriana ho an’ny mpilalao izay miisa 12 sy fandriana 24, trano fivarotana sakafo sy ireo kojakoja isan-karazany ilain’ny olona, toerana natokana ho an’ny fiara izay mahazaka 800 hatramin’ny 1.000, efitrano fanaovana fanazaran-tena, efitrano lehibe natokana ho an’ny fampahalalam-baovao izay mahazaka olona manodidina ny 150, eo ihany koa ny jiro maro loko sady lehibe na ao anatiny sy ivelan’ny kianja. Nisaotra ireo rehetra niara-nisalahy tamin’ny fanatanterahana ny asa rehetra araka izany ny ministry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Mamod’Ali Hawel amin’izao fotodrafitrasa lehibe izao hampiroboroana sy hanomezan-danja ny fanatanjahantena eto Madagasikara ho reherahan’ny malagasy.

Fandaharam-potoana

Ny 28 hatramin’ny 31 Aogositra ho avy izao no foatoam-pizarana eny amin’ny toerana voatondro ny tapakila fidirana, ary maimaim-poana izany amin’ny maha fety iombonan’ny vahoaka malagasy azy izay, raha ny fanazavana nentin’ny tale kabinetra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, Lova Ranoromanana.

Mandritra ny lanonam-pitokanana io Kianja Barea ny alakamisy 2 septambra io kosa, dia ho hentitra ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra hisorohana ny areti-mifindra isan-karazany. Nampahafantarina tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety hatrany fa hisokatra amin’ny 10 ora maraina ny vavahady miisa 4 hialàna ny fifanosehana na ny filaharam-be sy ireo lesoka nitranga tany aloha. Amin’ny 2 ora tolakandro kosa ny fahatongavan’ireo olo-manan-kanja nasaina manokana ary adiny iray aorian’izay no hanomboka amin’ny fomba ofisialy ny lanonana. Amin’ny mahafety ho an’ny vahoaka malagasy azy, misy ny hetsika ara-java-kanto izay handraisan’ireo artista maro anjara mandritra ny ora roa. Amin’ny 7 ora hariva kosa no hanatanterahana ny lalao fifanintsanana eo amin’ny ekipam-pirenena Barea sy Bénin. Aorian’izay dia misy ny afomanga goavana ho famaranana io fotoan-dehibe manamarika ny tantaran’i Madagasikara io. Handravaka ny kianja amin’ity fitokanana ity moa ny fisian’ireo jiro isan-karazany manodidina ny kianja ary mamirapitra manerana an’Antananarivo.

Hentitra ny fitandroana ny filaminana

Isan’ny nivoitra nandritra ny fivorian’ny EMMO/NAT izay notanteraka fivoriana teny amin’ny Toby Ratsimandrava Andrefan’Ambohijanahary, omaly ny fanomanana ny lanonam-pitokanana sy ny lalaon’ny ekipam-pirenena Barea sy Bénin eny Mahamasina.


Nandray anjara tamin’izany fivoriana izany ny avy ao amin’ny FIFA, CAF, FMF sy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny EMMO ary ny mpitantana ny EMMO/NAT no nitarika ny fivoriana. Nifantoka tanteraka tamin’ny lafiny fitandroana ny filaminana sy fiarovana ny mpanatrika izany. Maro ireo fepetra sy paikady noraisina ka hotanterahana mandritra ny alakamisy 2 septambra hialàna amin’ny mety fioharam-pefy amin’ny endriny samy hafa. Manao antso avo ho an’ny vahoaka malagasy araka izany ny mpitandro filaminana, mialoha sy mandritra ary aorian’ny fety, mba hanaja ny fandaminana sy ny fepetra hatrany hifantohan’ny tsirairay ao anatin’ny fety aman-danonana tanteraka.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930