Madatopinfo

 Flash Info

MVOLA AVANCE: Hatramin’ny 1.000.000 ariary no vola azo indramina

MVOLA AVANCE: Hatramin’ny 1.000.000 ariary no vola azo indramina

MVOLA AVANCE: Hatramin’ny 1.000.000 ariary no vola azo indramina
avril 08
06:30 2021

Mahazo tombony indray ny mpikirakira ny servisy MVola manerana ny Nosy amin’ny alalan’ny MVola Avance. Vaovao be indray no atolotry ny MVola ho an’ny mpanjifany manomboka izao satria afaka misitraka MVola Avance hatramin’ny 1.000.000 ariary izy ireo raha 500.000 ariary ihany izany teo aloha. Tsotra no ahafahana misitraka izany, tsy mila mivezivezy fa ao anatin’ny finday ihany no kirakiraina ny MVola Avance. Tafiditra avy hatrany anaty kaonty MVola avy hatrany ny vola nindramina tamin’ny MVola Avance ary ny tompon’ny finday ihany no mahafantatra ny tarehimarika miafina na kaody ahazoana ilay vola. Fantatra ihany koa fa manana 30 andro ny mpanjifa hamerenana ny vola izay nindramina. Ny mpanjifa rehetra izay maniry ny hampiroborobo ny tetikasany, fanampiana amin’ny fianarana, izay manana faniriana hanavao ny tranony sy ny maro hafa dia manana tombony lehibe amin’ity tolotra vaovaon’ny MVola ity. Miankina amin’ny fomba fampiasa MVola amin’ny andavanandro kosa anefa no ahazoana izany toy ny fividianana fahana na tolotra, ny fandoavana faktioran’ny JIRAMA. Ny #111*1*3# moa no tsindriana ary ao no misy ny torolalana ho an’ny mpanjifa maniry ny hisitraka ny MVola Avance.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930