Madatopinfo

 Flash Info

FESTIVAL DES BALEINES: Efa vonona hampiantrano ny mpizahantany ho avy i Sainte-Marie

FESTIVAL DES BALEINES: Efa vonona hampiantrano ny mpizahantany ho avy i Sainte-Marie

FESTIVAL DES BALEINES: Efa vonona hampiantrano ny mpizahantany ho avy i Sainte-Marie
juillet 06
09:38 2023

Hiditra amin’ny andiany fahaenina amin’ity taona ity ny « Festival des baleines » izay fahita any amin’ny Nosy Boraha, Sainte Marie isan-taona izay hotanterahana ny 15 ka hatramin’ny 23 Jolay ho avy izao. Araka ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny alarobia 5 Jolay teny amin’ny Campus Telma Andraharo, tsy maintsy hisy ny fivoahan’ireo trozona isan’andro mandritra ny « Festival des baleines » . Ankoatra ny hetsika ara-kolontsaina izay handraisan’ny mpanakanto mato any an-toerana, hibahan-toerana ihany koa ny fifaninanana ara-panatanjahantena eny amin’ny tora-pasik’i Sainte-Marie tahaka ny beach soccer, golf, baolina lavalava, tsipy kanetibe, fifaninanana mitondra lakana. Ahitana ravaka maro loko avokoa ny kianja hilalaovana ireo hetsika ara-panatanjahantena ireo raha ny nambaran’ny mpikarakara. « Tanjona amin’ny Festival des baleines ny hampirisihana ny mpizahantany anatiny na avy any ivelany ny fanajana ny tontolo iainana, ary indrindra ihany koa ny hampiroboroboana ny fizahan-tany », hoy i Ramahandrison Felana Anna, mpikarakara ny hetsika. Mpizahantany 900 kosa no afaka raisin’ny trano fandraisam-bahiny any an-toerana raha 2.500 ireo mpivahiny andrasana amin’ireo andro ireo. Fanampin’izay, hiara-hisalahy amin’ny fampiantranoana ny olon-tsotra mponina any an-toerana manana trano lehibe mifanaraka amin’ny fenitra handraisam-bahiny. Hampiavaka ny « Festival des baleines » amin’ity taona ity ihany koa ny fandraisana anjara fanentanan’i Julien Lepers sady ray mpiahy ny hetsika rahateo. Hanomana endrika « Questions pour un champion » ny mpikarakara, fanontaniana izay hiompana momba ny trozona sy ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny. « Amin’ny maha-mpanohana ofisialy ny Telma Madagascar amin’ity hetsika ity, hisy ny tranoeva ahitana vokatra MBalika sy Telma any an-toerana hahafahana mividy tolotra sy ny maro hafa», hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Telma, Riantsoa Rabefitia.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930