Madatopinfo

 Flash Info

ESTIIM’ : Namoaka ny andiany « Mendrika » ny sabotsy lasa teo

ESTIIM’ : Namoaka ny andiany « Mendrika » ny sabotsy lasa teo

ESTIIM’ : Namoaka ny andiany « Mendrika » ny sabotsy lasa teo
décembre 20
10:30 2021

Ampinga iray entin’ny tanora miditra eo amin’ny sehatry ny asa mifandraika amin’ny fianarana noratovony ny fananana diplaoma. Tsy latsa-danja amin’ireo sekoly ambony marobe misy eto an-toerana ny mpianatra mivoaka ao amin’ny oniversite tsy miankina ESTIIM’ (Engineering School of Tourism, Informatics, Interpreterdhip and Management). Tsy vitsy ireo mpianatra nahazo ny mari-pahazaina tao amin’ity sekoly ity no efa mitàna andraikitra ambony na eo anivon’ireny sampan-draharaha miankina amin’ny fanjakana ireny na ihany koa any amin’ny orinasa tsy miankina.
Ny sabotsy 18 desambra lasa teo teny amin’ny Mining Business Center Ivato no nanatanterahana ny lanonana famoahana ny andiany indraimihira faha-17 izay nisalotra ny anarana hoe : « Mendrika ». Miisa 127 mianadahy ireo mpianatra nahazo ny mari-pahaizana nandritra ity taompianarana 2020-2021 ity ka ny 46 tamin’izy ireo no nahazo ny DTS, miisa 31 kosa ny Licence raha toa ka 35 no isan’ireo notolorana diplaoma Master I ary 15 ny Master II. Na dia teo aza ny hamehana ara-pahasalamana noho ny fisian’ny covid-19 teto amin’ny firenena, nitohy ara-dalana hatrany ny fampianarana teo anivon’ity sekoly ambony ity ka tonga amin’izao dingana izao. Notanterahina tamin’ny alalan’ny serasera ampitain-davitra mantsy ny fampianarana ary tahaka nandritra ireny vanim-potoana sarotra ireny.
Ny lanonana famoahana ny andiany faha-17 moa dia teo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fampianarana ambony sady izy rahateo no reny mpiahy azy ireo. Natrehan’ny fianakaviamben’ny ESTIIM’ izay notarihan’ny Tale jeneraly Andrianadison Miandrasoa. Fotoana izay notanterahana tao anatin’ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana tanteraka hisorohana ny mety fiparitahan’ny valanaretina coronavirus. Ankoatra izay, efa misokatra ihany koa ny fisoratana anarana ho an’ny taom-pianarana 2021-2022 amin’ny kilasy taona voalohany na L1 hatramin’ny M2 taona fahadimy ho an’ny sampam-pianarana rehetra ao amin’ny ESTIIM’: Droit, Diplomatie-Sciences politiques, Communication, Administration-Management, Commerce-Marketing, Tourisme-Hôtellerie-Environnement ary Informatique. Tsiahivina fa eny amin’ny 67Ha Atsimo no misy ny foiben’ny ESTIIM’.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930