Madatopinfo

 Flash Info

AINGA VAO HO AN’NY TOE-KARENA MALAGASY : Ny 17 – 20 desambra ny fotoamben’ny “made in Madagascar”

AINGA VAO HO AN’NY TOE-KARENA MALAGASY : Ny 17 – 20 desambra ny fotoamben’ny “made in Madagascar”

AINGA VAO HO AN’NY TOE-KARENA MALAGASY : Ny 17 – 20 desambra ny fotoamben’ny “made in Madagascar”
décembre 10
07:58 2020

Hetsika ara-toekarena hanairana an’ireo mpandraharaha Malagasy rehetra hampisongadina ny vokatra vita Malagasy no tanjon’ny foara manomboka ny faha-17 an’ity volana ity. Nampintaina tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Relais D’Ivandry Alarobia, ny alatsinainy faha 7 ny volana desambra lasa teo ny vaovao araka ny fanazavan’i Michel Ramiaramanana sy ireo mpiara miasa aminy. Voalaza fa azo hatao tsara ny mitady lalam-barotra any ivelany amin’ny alalan’ny fanondranana ireo vokatra vita malagasy mba hanaraka ny fenitra takiana iraisampirenena.
Araka ny fanazavana hatrany ,tsy voatery mividy ny vokatra avy any ivelany ny Malagasy fa mila mijery ireo zava-misy eto an-toerana. Tsy manakana ny Malagasy tsy hanjifa ny avy any ivelany anefa izany fa hafa ihany koa ny vita malagasy.Araka ny nambaran’ i Michel Ramiaramanana, izay tomponandraikitry ny foire fa misy ireo vahiny manafatra sy mankafy ny vokatra vita malagasy. Azo ihoarana fa tsy mijanona amin’ny asa tanana ihany no atao hoe : “ vita Malagasy” fa efa misy koa ny savony,ny ranomanitra ,ary ireo zavatra marobe izay efa azo lazaina manarapenitra sy vita malagasy . Ny foire lehibe, hatao eny amin’ny ZI Forrelo Tanjombato, hotanterahina ny 17 ka hatramin’ny faha 20 ny volana desambra dia mananika ny 500 mahery eo ireo trano eva handray anjara.
Victorine Ranja RAVAONASOLO.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930