Madatopinfo

 Flash Info

FARITRA VAKINANKARATRA: Miara-mientana miady amin’ny kolikoly sy ny Covid-19 ny zandary

FARITRA VAKINANKARATRA: Miara-mientana miady amin’ny kolikoly sy ny Covid-19 ny zandary

FARITRA VAKINANKARATRA: Miara-mientana miady amin’ny kolikoly sy ny Covid-19 ny zandary
juillet 29
19:39 2020

Ankoatra ny Faritra Analamanga, isan’ireo toerana ahitana trangana valan’aretina Coronavirus ihany koa ny ao Vakinankatra. Araka izany, samy manao izay ho afany avokoa ny rehetra hisorohana ny fiparitahan’izany. Isan’ireo ny zandary any an-toerana ary fomba maro no entin’izy ireo manatanteraka izany. Araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny seraseran’ny zandarmaria ao Vakinankaratra dia midina ifotony manao fanentanana sy fanabeazana ny olom-pirenena izy ireo. Tsy vitan’izay fa mbola miditra an-tsehatra amin’ny fampanajana ireo fihetsika sakana rehetra ireo zandary ireo. Eo ihany koa ny hetsika fampahafantarana ny vahoaka ny tokony ataony indrindra amin’izao vanim-potoana hiadiana amin’ity areti-mandripaka covid-19 ity. Ankoatra izay, manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny ady amin’ny kolikoly ihany koa ireo tandroka aron’ny vozona any an-toerana ireo. « Tsy mandray taratasy ny fiara ny zandary manatanteraka ny fisavana fa fitaratra mikatona no ampisehoan’ny mpamily ny taratasy », hoy hatrany ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Raha misy tsy fanarahan-dalana araka izany vao midina ny mpamily ary manaraka ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra. Natao izany hiverenenan’ny fahatokisan’ny vahoaka ny mpitandro filaminana.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930