Madatopinfo

 Flash Info

PRIX MIZUNAMI AFRICA 2024 : Famatsiam-bola mitentina 30.000.000 ariary avy no hatolotra ho an’ny 3 mpandresy

PRIX MIZUNAMI AFRICA 2024 : Famatsiam-bola mitentina 30.000.000 ariary avy no hatolotra ho an’ny 3 mpandresy

PRIX MIZUNAMI AFRICA 2024 : Famatsiam-bola mitentina 30.000.000 ariary avy no hatolotra ho an’ny 3 mpandresy
mai 02
17:30 2024

Ho fampiroboroboana ny sehatry ny toekarena eto Madagasikara, hanampy ny tontolon’ny fandraharaharana ny Mizunami Africa Fondation sy ny Nexta amin’ny alalan’ny fifaninanana izay antsoina hoe : « Concours d’innovation Mizunami – Prix Mizunami Africa Fondation pour les start-ups de Madagascar 2024 ». Ity fifaninanana ity izay misokatra amin’ny orinasa rehetra raha ny fampahafantarana notanterahana ny alakamisy 2 Mai teny amin’ny Campus Telma Andraharo. Manomboka ny 2 Mai ka hatramin’ny 31 Mai amin’ny 23 ora sy 59 minitra kosa ny fisoratana anarana amin’izany ary efa azo alaina ao amin’ny rohy https://bit.ly/3xXUsjo mikasika ny taratasy fangatahana sy ny toromarika. « Orinasa ara-dalàna latsaky ny 4 taona nitsanganany eto Madagasikara ary ahitana vehivavy anatin’ny ekipa, orinasa mitondra zava-baovao izay miteraka famoronana asa sy mitondra mankany amin’ny fampandrospoana lovainjafy, ireo no isan’ny fepetra takiana amin’ny ho an’ireo mpandray anjara », araka ny fanazavan’i Soamihanta Valencia Randriamanasoa, tompon’andraikitra eo anivon’ny Nexta. Hanomboka ny 1 Jona kosa ny sivana izay ahitana mpitsara ny fifaninanana avy amin’ny mpkambana ao amin’ny Fondation Mizunami Africa sy Nexta ary ny 27 Jona 2024 no hofantatra ny ekipa 6 hiatrika ny dingana manaraka. Aorian’izay, hontanterahana amin’ny volana Jolay ny « boot camp » iarahana amin’ireo ekipa 6 ireo mandritra ny telo andro. Ny voalohan’ny volana Aogositra no hanambarana ireo 3 mpandresy amin’ny « Prix Mizunami Africa 2024 ». « Hisitraka tosika ara-bola mitentina 3 tapitrisa ariary avy ireo 3 voalohany amin’ity fifaninanana ity, eo ihany koa ny fanohanana manohana avy amin’ny Nexta mandritra enim-bolana », raha ny fanampim-panazavana hatrany.
Tsiahivina fa tsy voalohany izao fiaraha-miasa teo amin’ny Fondation Mizunami Africa sy ny Nexta izao fa efa nisy ny : « Ninja Cup en 2023 » tamin’ny taon-dasa izay.

M.R

Articles similaires

juillet 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
293031