Madatopinfo

 Flash Info
  • HETSIKA MOMBA NY FITATERANA : « Nahomby ny SITLM andiany fahatelo », hoy ny mpikarakara Mitàna anjara toerana goavana amin’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara ny sehatry ny fitaterana amin’ny alalan’ny fivezivezena na anatiny na mankany ivelany indrindra amin’ny fanondranana entana vokarina eto an-toerana. Andro...
  • PUBLI-reportage UNIVERSITY TECHNOLOGY DTS.LICENCE.MASTER I.MASTER II 038.38.138.38/037.02.037.02/033.33.633.77 Mention : Communication – Gestion. Diplômes agréés, habilités avec la FOP Cours en classe, en ligne, regroupement na mampianatena amin’ny boky Technology and sciences...
  • UNIVERSITY TECHNOLOGY 038.38.138.38 UNIVERSITY TECHNOLOGY DTS.LICENCE.MASTER I.MASTER II MENTION:COMMUNICATION.GESTION Hanohy fianarana ambony, hampiakatra karama sy toerana : reclassement.Cours en classe, en ligne, regroupement, mampianatena @ boky. Diplômes agréés, habilités avec la FOP Technology...
  • Manasa e-SAKAFO 038.33.633.77 VARY SY LAOKA NAHANDRO GASY Sakafo vaovao, madio, tsy misy karbonetra Sur place, emporter, livraison SAKAFO ATOANDRO Zaimaika 26,36 Analakely SAKAFO HARIVA Rond point Andravoahangy...
  • AGENCE RCA 038.33.633.77 RECRUTEMENT : Mitady Lehilahy tantsaha hiasa any amin’ny faritra TSENA TRANO TANY AHOFA na AMIDY  Ahofa TSENA sy trano efitra 2, douche, wc,Ikianja Ambohimangakely 200.000 ariary  TSENA 1...

STARTUP WEEKEND EDUCATION : Nexta Andranomena no nampiantrano ny andiany faharoa

STARTUP WEEKEND EDUCATION : Nexta Andranomena no nampiantrano ny andiany faharoa

STARTUP WEEKEND EDUCATION : Nexta Andranomena no nampiantrano ny andiany faharoa
janvier 24
06:01 2023

Ho fanohanana ireo tanora malagasy vao misandratra eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana, nikarakara hetsika izay antsoina hoe : « Startup weekend education » ny SWAT (Startup Weekend Antananarivo Team) izay tohanan’ny Institut International des Sciences Sociales na IISS. Raha tamin’ny taona 2020 ny andiany voalohany tamin’ny « Startup weekend education », notanterahana nandritra ny telo andro teny amin’ny Nexta Andranomena kosa ny andiany faharoa, ny zoma 20 ka hatramin’ny alahady 22 janoary lasa teo. Niompana tamin’ny fanabeazana sy ny fampianarana ny lohahevitra tamin’ity taona ity. Tombony lehibe ho an’ny mpandray anjara ity hetsika ity noho izy ireo ireo afaka mifandray amin’ny mpamorona hafa sy ireo mazoto hanorina zava-baovao ary indrindra ireo mpampiasa vola. Ny andron’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny zoma hariva, samy nanolotra ireo olana hitany eo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny vahaolana arosony ao anatin’ny 60 segodra avy ny mpandray anjara. « Hahazo fampiofanana mandritra ny 54 ora izy ireo hianatra izay tena ilaina amin’ny fanavaozana sy fananganana orinasa. Ankoatra izay, hanolotra fampianarana lalina mahakasika ireo traikefa ny Startup weekend education izay tarihin’ireo efa matihanina amin’ny sehatra », hoy ny tompon’andraikitry ny SWAT.
Ny tetikasa Train’in no nandrombaka ny laharana voalohany tamin’ny andiany faharoa ity izay nampahafantarina ny alahady tolakandro lasa teo, Empowher kosa no faharoa ary ny Kariera.mg no laharana fahatelo tamin’ny fifaninanana Startup weekend education 2023. I Keaven Rantoanina, Carole Rakotondrainibe, Kolo Randriamanana ary Herimalala Ratsimbazafy kosa no nisahana ny fitsarana na « jury ».

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930