Madatopinfo

 Flash Info

CAFE THE-MATIQUE: Nahasarika tanora maro ny fifanankalozan-kevitra momba ny « Trading »

CAFE THE-MATIQUE: Nahasarika tanora maro ny fifanankalozan-kevitra momba ny « Trading »

CAFE THE-MATIQUE: Nahasarika tanora maro ny fifanankalozan-kevitra momba ny « Trading »
février 04
12:37 2021

Hetsika iray ahafahan’ny tanora mifanakalo hevitra amin’ny matihanina ny Café Thé-matique an’ny oniversite tsy miankina ESTIIM’. Miovaova isaky ny Café Thé-matique ny lohahevitra sy ny sampam-pianarana mikarakara izany. Nosantarina ny tolakandron’ny alarobia 3 febroary ny andiany tamin’ity taona ity izay nokarakarain’ny Club de l’Informatique de l’ESTIIM’ sy ny Club de Entrepreneuriat de l’ESTIIM’. Lohahevitra nosafidian’izy nandritra izany ny sehatry ny « trading » na azo adika amin’ny teny malagasy hoe : »ady varotra ». Mino Andrianjaka mpampiofana sady Trader ao amin’ny Mex Madagascar izany hoe efa matihanina amin’io sehatra io no nitarika ny fifanankalozan-kevitra narahina adihevitra tamin’ity andiany ity. Notontosaina teny amin’ny Foiben-toeran’ny ESTIIM’ etsy amin’ny 67Ha Atsimo izany ary tena nahaliana tanora mpianatra maro tokoa satria nahatratra aman-jatony no tonga nandray anjara. « Tombony ho an’ny mpianatra manatrika ny Café Thé-matique ny ahafantaran’izy ireo zavatra maro ankoatra ny efa fantatra hatramin’izay ary ahafahan’izy ireo mivelatra misimisy kokoa. Tanjon’ny ESTIIM’ rahateo ny hisintonana ny tanora ao aminy na avy any ivelany mba tsy hifikitra amina sehatra iray », hoy i Kantoniriana Valérie, mpianatra taona faha-3 (L3) manaraka ny sampam-piofanana Administration-Management. Ny taona faha-2 no miakatra ao amin’ny ESTIIM’ moa no mikarakara ny Café Thé-matique ary tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana eo anivon’ny sekoly mihitsy izany.
Raha ny mikasika ny lohahevitra niresahana ny « trading » kosa dia nanambara i Mino Andrianjaka fa isan’ireo sivana takiana amin’io sehatra io ny fahaizana mianatra sy fahatoniana ary faharetana. « Tombony amin’ny fanaovana trading ny maha-vola haingana azy. Mety hahazo hatramin’ny 5.000.000 ariary mantsy ny trader iray ao anatin’ny tapak’andro. Mila manana renivola fotsiny hiangaina », hoy hatrany izy. Araka ny fantatra, efa betsaka no « trader » eto Madagasikara ary liana amin’izany avokoa na tanora na ny efa nahazo taona, misy aza ireo efa misotro ronono. Ankoatra izay, nampahafantarin’ity matihanina ity ihany koa fa tahaka ny tsena rehetra ny « trading », misy ny risika amin’io asa io satria misy fotoana foana tanteraka ny renivola.
Fahombiazana araka izany no azo amehezan’ny mpikarakara iny Café Thé-matique iny ary hiezaka hatrany izy ireo ny hanohy ny ezaka mba hampiroborobo ny traikefa hananan’ny tanora mpianatra. Raha ny fantatra moa, mbola hitohy hatrany ny hetsika Café Thé-matique an’ny ESTIIM’ ary lohahevitra hafa indray no hifanakalozan-kevitra amin’izany.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930