Madatopinfo

 Flash Info

CSB II ANDOHARANOFOTSY: Mpiasa miisa 20 nahazo fitaovana fiarovana amin’ny Covid-19

CSB II ANDOHARANOFOTSY: Mpiasa miisa 20 nahazo fitaovana fiarovana amin’ny Covid-19

CSB II ANDOHARANOFOTSY: Mpiasa miisa 20 nahazo fitaovana fiarovana amin’ny Covid-19
août 20
05:03 2020

Azo lazaina ho lohalaharana amin’ny ady amin’ny fihanaky ny valan’aretina Coronavirus ny mpiasan’ny fahasalamana noho izy ireo mifandray, mifanerasera ary mikarakara mivantana ireo mararin’izany areti-mandoza izany eny amin’ireny ivon-toeram-pitsaboana isan-karazany ireny. Noho izany indrindra no nahatonga ny Lions Club Antananarivo Salanitra nanohana azy ireo tamin’ny alalan’ny fampitaovana. Tompon’andraikitra sy mpiasan’ny fahasalamana miisa 20 eo anivon’ny CSB II Andoharanofotsy no nisitraka izany fanohanana izany tamin’ity andiany ity. Fitaovana maro mahafeno ny fenitra ara-pahasalamana no natolotra manokana ho azy ireo teny an-toerana ny sabotsy 15 Aogositra lasa teo. Niompana indrindra tamin’ny karazana kojakoja sy fitaovana fiarovan-tena enti-miatrika sy hiadiana amin’ity valan’aretina ity moa ireo fanomezana ireo, teo ny aro-tanana, ny « surblouses », ny aro-tava, ny « gel hydroalcoolique ». Tsy adinon’ity fikambanana tsy miankina ihany koa no nanolotra savony sy ny « bidons » maro hanamafisana fanajana ny fepetra ara-pahasalamana eny an-toerana. Tonga nanolotra ireo fanomezana ireo teny an-toerana tamin’io fotoana io ny avy ao amin’ny Lions Club Antananarivo Salanitra izay mandray anjara mavitrika amin’izao olana ara-pahasalamana misy eto amintsika izao. Setrin’izany, nankasitraka ny fanomezan-tanana tahaka izao ireo nisitraka ny tohana satria manan-danja tokoa izany fitaovana izany indrindra eo am-panatanterahana ny asa. Ny Lions Club Antananarivo Salanitra rahateo dia manome lanja hatrany ny lafiny ara-tsosialy ka tafiditra ao anatin’izany indrindra ny fahasalamana.

 

Mickah R.

 

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930