Madatopinfo

 Flash Info

MPANAO LALANA: Mpiasa amina orinasa 150 mbola tsy naharay ny volany

MPANAO LALANA: Mpiasa amina orinasa 150 mbola tsy naharay ny volany

MPANAO LALANA: Mpiasa amina orinasa 150 mbola tsy naharay ny volany
juillet 27
06:34 2022

Niverina nanatanteraka hetsika teo anoloan’ny Ministeran’ny Asa vaventy tetsy Anosy ny talata 27 jolay indray ireo mpandraharaha sy mpiasan’ny orinasa mpanao lalana izay mbola tsy nahavoaray ny valin-kasasarany. Nitaky ny fandoavana izany ara-dalàna izy ireo. Raha ny fantatra, fifanarahana arak’asa manodidina ny 240 amin’ireo orinasa 150 izay mamelona olona aman’arivony no voakasik’ity raharaha ity ary efa 2 taona lasa izay no tsy nandraisan’izy ireo ny volany. « Efa nisy dingna efa notanterahana, isan’ireo ny fitsirihana na audit taorian’ny Filankevitry ny Ministra ny volana febroary lasa teo. Koa angatahanay ny hamoahana ampahibemaso ny orinasa ara-dalàna na tsia ao anatin’izany mba hanavahana ny vary sy ny tsiparifary », hoy ny solontenan’ ny mpiasa, Ralida. Ankoatra izay, tonga nametraka fitarainana teo anivon’ny Filan-kevitra ambony Miaro ny Demokrasia sy ny Tany tan-dalàna (HCDDED) teny Soanierana ny solontenan’ireo mpiasa sy mpikojakoja lalana manerana ny Faritra 23 ireo ny amin’ny handinihana ny fitakiana ny zony. Miantso ny Filoham-pirenena ihany koa izy ireo mba handray ny andraikitra tandrify azy amin’ity raharaha tsy fandoavana karama ity. Nanamafy moa ireto mpanao fitakiana ireto fa tsy misy idiran’ny resaka politika izao hetsika tanterahan’izy ireo izao. Andrasana araka izany ny valin’ity fitakiana ity sy ny vahaolana aroson’ny ministera mpiahy manoloana ny tranga tsy fandoavana karaman’ny mpiasa malagasy ireto.

RSM

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930