Madatopinfo

 Flash Info

EPP III HANGAR ANTOHOMADINIKA: Mpampianatra miisa 8 no karamain’ny FEFFI

EPP III HANGAR ANTOHOMADINIKA: Mpampianatra miisa 8 no karamain’ny FEFFI

EPP III HANGAR ANTOHOMADINIKA: Mpampianatra miisa 8 no karamain’ny FEFFI
décembre 19
09:22 2023

Fotodrafitrasa maro no nilàna fanarenana sy fanavaozana nanomboka tamin’ny 2016, taona izay nahavoatendry ho Talen-tsekolin’ny EPP III Hangar Antohomadinika an’i Rolland Pierre Rakotoniaina. Tamboho sy vavahady hazo tafiditry ny alika mpirenireny ny faritry ny sekoly teo aloha, nampitaintaina ny ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny mpampianatra rehefa indrindra anim-potoana rivodoza sao hirodana ny fefy ka hitera-doza an’ny ankizy. Nisy ihany koa ny trano fisakafoana teo aloha saingy tsy zarizary izany, voatery nisakafo nitsangana ny mpianatra, manginy fotsiny ny fenitra ara- pahasalamana tsy voahaja.
Noho ireo olana rehetra ireo no nahatonga ny Tale niaraka tamin’ny FEFFI (Farimbon’Ezaka ho Fahombiazan’ny Fanabeazana eny ifotony) niara-nisalahy hitondra fanavaozana eo anivon’ity sekoly ity. Nikaro-bahaolana ny roa tonta ka nahita lalam-bola. Vokan’izay fiaraha-misalahy teo amin’ny FEFFI sy ny mpitantana ny sekoly izay, vita biriky tanteraka ny fefy niampy « barbelet » sy ny vavahady. Vita niaraka tamin’izany ihany koa ny toeram-pisakafoan’ny mpianatra aman-jatony.
« Noho ny fahabetsahan’ny isan’ny mpianatra izay nahatratra 90 mahery ny kilasy taona voalohany, sy faharoa, niara-niasa tamin’ny mpiara-miombon’antoka iray izahay izay ahafahan’ny ankizy misitraka famakiam-boky mamaim-poana. Nitohy tamin’ny fanamboarana fotodrafitrasa eo anivon’ny EPP III Hangar Antohomadinika, efitrano fianarana anankiroa ny fiaraha-miasa », hoy ny Tale Rolland Pierre Rakotoniaina.

Nanakarama mpampianatra 8 ny FEFFI

Nandritra ny taom-pianarana 2022-2023, mpampianatra 12 no nitàna ny kilasy T1 ka hatramin’ny T5 nahitana mpianatra miisa 834, raha 125 kosa ny mpianatra madinika na « préscolaire » izay iandreketana mpampianatra 5. Ny 50%n’ireo mpampianatra ireo anefa mbola tsy voaray ho mpiasam-panjakana ary zakain’ny FEFFI avokoa ny fandoavana ny karama. « Mialoha, mandritra ary aorian’ny taom-pianarana dia misy hatrany ny Fivoriamben’ny FEFFI sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra rehetra. Ampahafantarina mandritra izany ny adidy iantsorohana amin’ireo mpampianatra FRAM ireo, ny ampahany betsaka amin’ny latsakemboka aloha mantsy dia natokana ho azy ireo », araka ny fanazavana nentin’i Anja Andriambololosoa, mpitam-bola FEFFI eo anivon’ny EPP III Hangar Antohomadinika. Iaraha-manapa-kevitra avokoa araka izany ny zavatra hotapahana rehetra mandritra io Fivoriambe io. « Tsy ampy hampiodina ny fampianarana raha tsy misy ireo mpampianatra FRAM ireo manampy ka tsy azo atao ambanin-javatra », hoy hatrany ny mpitam-bola.
Amin’ny alalan’ny peta-drindrina no hampahafantarana ny vola miditra sy mivoaka, ny ambim-bola mba hisian’ny mangarahara eo amin’ny lafiny fitantanana ny sekoly. Hatreto, nirindra antsakany sy andavany ny fiaraha-miasa teo amin’ny ray aman-dreny sy ny FEFFI hatramin’izay ary tsy mbola nisy disadisa, raha ny voalaza. Porofon’izany, ny fizakana ny fanefana ny valin-kasasan’ireo mpampianatra FRAM.

Fitadiavam-bola

Tsy nihonona fotsiny tamin’ny latsakemboka 20.000 ariary ny FEFFI aeo anivon’ny EPP III Hangar Antohomadinika fa nanatanteraka fitadiavam-bola hafa ny mpiandraikitra ny sekoly sy ny FEFFI”, hoy ny Filohan’ny FEFFI. « Opération gâteau » no natao tamin’izany, amenoana ny kojakoja madinidika ilain’ny mpampianatra. « Tsy noterena ny fandraisana anjara tamin’io fa izay ray aman-dreny terem-panahy sy ny nahatsapan-tena dia nandray ny tapakila », raha ny voalazan’ny Rolland Rafanomezantsoa, Filohan’ny FEFFI ao amin’ny EPP III Hangar Antohomadinika hatrany. Ny « caisse école » rahateo tsy nisy tamin’iny taom-pianarana farany iny, na dia herin’ny fampandehan-draharaha eo anivon’ny sekoly satria avy amin’io no hividianana ny fitaovana ilain’ny mpampianatra sy anaty birao, na efitrano fianarana na ihany koa ny toeram-pivoahana. Ka voatery namoaka ny volan’ny FEFFI hatramin’ny tsaoka sy nandokoana ny efitrano fianarana. Mpiambin-tanàna iray ihany koa no zakain’ny FEFFI ankoatra ireo mpampianatra. Ho fanampiana ny fidiram-bolan’ny sekoly amin’izany, misy olona monina eny amin’ny manodidina manofa ny toerana eo an-tokontanin-tsekoly amin’izao vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra izao hametrahanana fiara.
« Vokatry ny fitadiavam-bola notanterahana, na dia sarotsarotra aza ny fintantanana indrindra ara-bola, nahatafita taom-pianarana ihany izany », Anja Andriambololosoa, mpitam-bolan’ny FEFFI EPP III Hangar Antohomadinika.

Vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny SCORE

Tanjon’ny tetikasa SCORE ny hanamafisana ny fandraisana andraikitry ny firaisamonim-pirenena sy ny FEFFI amin’ny fanaraha-maso sy fanatsarana ny fangaraharahana sy tamberinandraikitra ny tolotra fanabeazana fototra. Mikasika io fampiharana ny mangarahara, ny tamberinandraikitra ary ny fandraisana anjaran’ny olompirenena hanatsarana ny fanabeazana eny ifotony io, nahazo kintana ny 3 EPP III Hangar Antohomadinika izay natolotry ny tetikasa SCORE (Suivi Citoyen par les OSC de la transparence et de la redevabilité de l’Education) tamin’ny Septambra 2022.
Noho io fanaraha-maso ara-pitantanana io, namoha ny voa nafafin’ny FEFFI sy ny Tale. Araka ny tatitry ny Talen-tsekoly Rolland Pierre Rakotoniaina, amin’ny ankapobeny, nisy fiakaran’ny tahan’ny mpianatra afa-panadinam-panjakana CEPE tamin’ity taom-pianarana 2022-2023 ity. Raha 55% mantsy izany tamin’ny taon-dasa, niakatra ho 62% farany teo.
Nambaran’ny Tad na tompon’andraikitra misahana ny Distrika eto Antananarivo renivohitra, fa amin’ny ankapobeny 3 na 4 eo ny kintana raha eo anivon’ny Fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo renivohitra. « Tamin’ny fanaraha-maso voalohany, nisy nahazo kintana 5, somary nilatsaka kosa ny kintana azo taorian’ny fanaraha-maso andiany faharoa », hoy ny Tad Tana ville, Felaniaina Hortensia Ranoeliarisoa.
Ny Cisco Tana ville rahateo dia isan’ireo Distrika iasan’ny tetikasa SCORE eto amin’ny Faritra Analamanga ary etsy amin’ny Biraon’ny Firaisamonim-pirenena Rohy Ex-Bâtiment Cite Ambatonakanga no foiben-toerany.
Sary 4 : Lehiben’ny Fari-piadidiam-pampianarana Tana ville, Harintsoa Lalaina Ramananantony

Miara-misalahy amin’ny Cisco ny SCORE

Tsy vao sambany no no nisy ny fiaraha-miasan’ny roa tonta, dia ny Fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo renivohitra sy ny tetikasa SCORE izany. « Tombony lehibe ho an’ny Cisco Tana ville ny fiaraha-miasa amin’ity tetikasa ity, vao tsy ela mantsy no nanatanteraka atrikasa nandraisain’ ny solontenan’ny tompon’andraikitra misahana ny serasera anjara nandritra izany. Atrikasa izay niarahana tamin’ny mpanao gazety teto amin’ny Faritra Analamanga sy avy any amin’ny Faritra, teo ihany koa ny solontenan’ny firaisamonim-pirenena any amin’ny Distrika samy hafa », hoy ny Lehiben’ny Cisco Tana ville, Harintsoa Lalaina Ramananantony. Nanampy betsaka azy ireo ny dinika ary maniry ny hitohizan’izany fiaraha-miasa izany hatrany ny Cisco Tana ville.

Voalazany fa nanatsara ny fanaraha-maso sy ny fitantanana ny fiaraha-misalahin’ny roa tonta, « niaraha-manapaka avokoa ny hevitra tapahana mandritra ny fivoriana ara-potoanan’ny FEFFI, ary reketina an-tsoratra avokoa, soniavin’ny rehetra ka hatreny amin’ny Cisco », hoy ity tompon’andraikitry ny Cisco ity. Misy ny sampan-draharaha misahana ny fintantanana sy ny vola (Division de contrôle administratif et financier) eo anivon’ny Cisco, mijery ny fitantanana indrindra ny FEFFI, mandray fitarainana io sampan-draharaha io, avy eo manatanteraka fanadihadiana eny ifotony. Mandray fanapahan-kevitra avy hatrany ny Cisco raha avoakan’ny fanadihadiana fa mihinam-bola ny FEFFI ary ampitaina eny amin’ny DREN, mandalo any amin’ny Ministeran’ny fanabeazeam-prenena.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930