Madatopinfo

 Flash Info

GAZ’NAKA: Efa misy amin’ny tobin-tsolika 4 eto Antananarivo

GAZ’NAKA: Efa misy amin’ny tobin-tsolika 4 eto Antananarivo

GAZ’NAKA: Efa misy amin’ny tobin-tsolika 4 eto Antananarivo
juin 22
08:38 2020

Raha tany Mahajanga no nanombohana ny tolotra GAZ’NAKA an’ny orinasa Vitogaz Madagascar teo aloha, ankehitriny efa misy amin’ny toerana maromaro eto Antananarivo izany. Nanomboka ny zoma 19 Jona lasa teo dia efa azo jifaina eny amin’ny tobin-tsolika Galana Andrefan’Ambohijanahary, 67 Ha, Talamaty ary Sabotsy Namehana ity tolotra vaovao ity. Araka ny fantatra, ny Gaz’naka dia « gaz » azo jifaina amin’ny antsinjarany araka izay ilain’ny mpanjifa ary manomboka amin’ny 3.000 ariary dia efa mahazo, izany hoe milanja 0,41 kilao. Manampy sy manala ny fahasahiranan’ny mpanjifa ity vokatra vaovao eto Antananarivo ity indrindra ho an’ireo tsy manana fahefa-mividy ny tavoahangy 9 kilao iray manontolo rehefa lany ny « gaz ». Ny orinasa Vitogaz ihany koa moa dia manakaiky hatrany ny mpanjifa sy ireo izay mbola hanjifa ary miezaka ny manolotra vokatra tsara kalitao, tsy mandoto tontolo iainana ary takatry ny sarambabem-bahoaka ny sarany.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930