Madatopinfo

 Flash Info

VONDROM-PIARAHAMONINA MIKEA : Manohana ny hetsika hiarovana azy ireo ny Telma Madagascar

VONDROM-PIARAHAMONINA MIKEA : Manohana ny hetsika hiarovana azy ireo ny Telma Madagascar

VONDROM-PIARAHAMONINA MIKEA : Manohana ny hetsika hiarovana azy ireo ny Telma Madagascar
mai 05
11:30 2024

Manana tantara sy manan-karena kolontsaina ny Mikea, amin’iny faritra atsimo andrefan’ny Nosy no tena fonenan’izy ireo. Manana ny lazany eo amin’ny fahalalany ny ala sy ny harenany ny Mikea. Namolavola paikady fihazana, fanjonoana ary fanangonana mifanaraka amin’ny tontolo voajanahary misy azy izy ireo. Mifamatotra akaiky amin’ny ala ny fomba fiainan’ny Mikea, tsy amin’ny sakafo ihany, fa ny fitaovana hanamboarana ny tranony sy hanaovana fitaovana sy asa tanana ihany koa. Na izany aza, misedra olana izy ireo toy ny fandripahana ala sy ny ny fiovan’ny toetr’andro izay manohintohina ny fomba fiainany mahazatra. Ny fandripahana ala izay isan’ny mampihena ny fonenan’ny Mikea ary mametra ny fidirana amin’ny loharano iankinan’izy ireo. Ankoatr’izay, ny fidiran’ny fambolena ara-barotra sy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna any amin’ny fari-ponenany dia mampitombo ireo olana ireo. Na dia eo aza izany, mbola mitazona ny kolontsainy sy ny fomban-drazany hatrany ny Mikea.
Mba hampiroboroboana sy hanohanana ny vondrom-piarahamonina Mikea, misy ny andiana hetsika nomanina raha ny fampahafantarana ny zoma 3 Mey lasa teo teny amin’ny Campus Telma Andraharo. Ny sabotsy 04 Mey 2024 tamin’ny 10 ora maraina, tao amin’ny Fondation H, ireo mpangaly ny gadona « slam » naka lahatsoratra nalaina tao amin’ny bokin’i Thierry Cron,  » MIKEA – Les derniers chasseurs-cueilleurs de Madagascar, une culture en voie de disparition « , sady nanasongadina ny fivarotana ity sangan’asa ity. Ny Alakamisy 9 Mey 2024 amin’ny 5 ora sy sasany hariva kosa, hisy ny « séance de dédicaces » sy fivarotana ny bokin’i Thierry Cron mikasika ny Mikea ao amin’ny Café de Musée .
Tafiditra anaty fandaharam-potoana ihany koa ny fampirantiana sary miavaka an’i Thierry Cron hotanterahana ao amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) ny 7 Mey ka hatramin’ny 29 jona izao. Hisy ihany koa ny fampirantiana ny fitaovana andavanandro sy ny kolontsaina Mikea nangonin’i Jean Claude Vinson. Ankoatra izay, hisy ny fandefasana horonantsary fanadihadiana, adihevitra hampahafantarana ny fomba fijery lalina momba ny fiainana andavanandro, ny fomban-drazana ary ny olana ara-tontolo iainana an’ny Mikea.
Ho an’ny Telma, fomba iray hanamafisana ny kolontsaina ny hetsika tahaka izao ho fanohanana ny soatoavina maha-olona, ary koa ny fanajana ny natiora manoloana ny olana ara-tontolo iainana sy ny firoboroboan’ny teknolojia.

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031