Madatopinfo

 Flash Info

FESTIVAL MAZAVALOHA BEACH SOCCER : Hampiantrano ny hetsika i Sambava sy Antalaha

FESTIVAL MAZAVALOHA BEACH SOCCER : Hampiantrano ny hetsika i Sambava sy Antalaha

FESTIVAL MAZAVALOHA BEACH SOCCER : Hampiantrano ny hetsika i Sambava sy Antalaha
mai 03
12:48 2024

Notanterahana teny amin’ny Andraharo ny tolakandron’ny alakamisy 2 Mai ny fampahafantaran’ny Federasiona Malagasy misahana ny Baolina kitra na ny FMF ny hetsika ara-panatanjahantena antsoina hoe : « Festival mazavaloha beach soccer » izay hotanterahina ao Sambava sy Antalaha. Mandritra ny 7 andro no hanatontosana izany, ny 13 ka hatramin’ny 19 Mai ho avy izao. Amin’ny maha mpiara-miasa amin’ny FMF, ny Telma dia manohana tanteraka ity hetsika ity izay mikendry ny hamelomana indray ny taranja Beach soccer, izay niroborobo teto. Isan’ny firenena nisongadina i Madagasikara tamin’ity taranja baolina kitra lalaovina eny amin’ny tora-pasika ity satria efa tompondakan’i Afrika tamin’ny taona 2015, tafiditra tao anatin’ny laharana fahadimy afrikanina voalohany ihany koa tamin’ny taona 2019. Maromaro araka izany ny vokatra azon’ny ekipa Malagasy nahitana fandresena hatrany amin’ny sehatra iraisampirenena nanomboka tamin’ny 2009 ka hatramin’ny 2015. Tato anatin’ny taona vitsivitsy anefa, tsikaritra fa nihena ny fifehezana ny lalao beach soccer teo amin’ny sehatry ny kaontinanta. Na izany aza, ny komity mpanatanteraky ny FMF vaovao, notarihin’i Alfred Randriamanampisoa, dia tapa-kevitra ny hamelona indray ny beach soccer eto Madagasikara sy hamerina ny firenena ho eo an-tampon’ny sehatra iraisampirenena, miaraka amin’ny orinasa Malagasy Telma eo anilany.
Mba hitrandrahana talenta vaovao sy ho an’ny fifantenana ny ekipam-pirenena amin’ny Fiadiana ny amboaran’i Afrika amin’ny beach soccer 2024 manaraka izay hatao any Egypta amin’ny volana Aogositra, sy ho an’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2025, hatomboka amin’ny hetsika maromaro nomanina mba hanamafisana ny fitsipi-pifehezana manerana ny firenena. Izany rahateo ihany koa ny antom-pisian’ny « Festival mazavaloha beach soccer » izay marihana fa hetsika ara-panatanjahantena lehibe, fampiantranoana ligy folo mandray anjara, ahitana an’i Melaky, Boeny, Antsinanana, Atsimo Andrefana, Vatovavy Fitovinany, Analanjirofo, DIANA, SAVA ary Anôsy.

M.R

Articles similaires

juillet 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
293031