Madatopinfo

 Flash Info

MVOLA SY BANKY MCB : Efa misokatra ny tolotra fifamindrana vola eo amin’ny mpanjifan’ny roa tonta

MVOLA SY BANKY MCB : Efa misokatra ny tolotra fifamindrana vola eo amin’ny mpanjifan’ny roa tonta

MVOLA SY BANKY MCB : Efa misokatra ny tolotra fifamindrana vola eo amin’ny mpanjifan’ny roa tonta
octobre 02
08:12 2023

Nanomboka ny 14 septambra lasa teo no efa azon’ny mpanjifan’ny MVola sy ny banky MCB atao ny mifandefa vola amin’ny kaonty. Mpanjifa MVola mankany amin’ny MCB na ny mpanjifa MCB mankany amin’ny MVola amin’ny alalan’ny « application MVola » na ny « menu MVola ». Ny zoma 29 septambra kosa no fampahafantarana ofisialy ity tolotra vaovao ity teny Alarobia. « Tsotra sady haingana ary azo antoka ny fampiasana ity tolotra hiarahan’ny MVola sy ny banky MCB ity. Tsy voatery mankany amin’ny masoivoho banky MCB intsony ireo mpanjifa raha te hampiditra vola amin’ny kaontiny fa afaka mandefa mivantana ny vola amin’ny alalan’ny MVola », hoy ny fanazavana voaray.
Tombony maro no sitrahan’ny mpanjifa mpampiasa ity tolotra ity ankoatra ny mamindra vola izay tsy mila milahatra eny amin’ny masoivoho MCB intsony, afaka ihany koa ny mpanjifa MCB manana kaonty Mvola mamindra vola amin’ny mpanjifa manana kaonty MVola hafa. Hahafahana mijery ny ambim-bola na ny « solde » anaty kaonty MCB ihany koa amin’ny alalan’ny menu MVola #111*1*8# na mampiasa ny application MVola. Ankoatra izay, azon’ny mpanjifa atao ny mikirakira ity tolotra ity ny mijery isanan’andro ny sandam-bola. Raha te hisitraka izany famindrana vola MVola mankany amin’ny banky MVB izany ny mpampiasa 034 sy 038 manana kaonty MVola, afaka manatona ny Masoivoho MCB akaiky azy indrindra izy ary tsy ela akory ny fanatanterahana izany.
izao fiaraha-miasan’ny roa tonta izao moa dia tafiditra tanteraka anatin’ny firosoana amin’ny « digitalisation » hanamorana hatrany ny fahafahanan ny mpanjifan’izy ireo mifandefa vola eo noho eo amin’ny fotoana rehetra (24h/7j), haingana ary azo antoka.

Légende: (g à d)
– Candy Andrianasandrantsoa, DG Adjoint MCB
– Heritiana Andrianalisoa, DG Adjoint Produits et Services MVola
– Felana Andriantsialonina, Responsable Paiement et Digitalisation

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930