Madatopinfo

 Flash Info

« DIAVOLAN-KO LAVA 2020 »: Any Ambila Lemaitso no hanatanterahana ny andiany voalohany

« DIAVOLAN-KO LAVA 2020 »: Any Ambila Lemaitso no hanatanterahana ny andiany voalohany

« DIAVOLAN-KO LAVA 2020 »: Any Ambila Lemaitso no hanatanterahana ny andiany voalohany
octobre 05
06:30 2020

Aman-taonany maro izay no tsy nisian’ny hetsika goavana tany amin’iny tananan’Ambila Lemaitso iny. Amin’ity volana Oktobra ity dia hamelona ny hatsaran’izany toerana izany i Nyrado Events amin’ny alalan’ny hetsika antsoina hoe: « Diavolan-ko lava ». Araka ny fampahafantarana nataon’ny mpikarakara ny zoma lasa teo teny Antaninarenina, dia ny 23 sy 24 ary 25 Oktobra ho avy izao no hanatanterahana izany any an-toerana.
Hiavaka ity « Diavolan-ko lava 2020 » andiany volaohany ity mandritra ireo telo andro ireo, hahazo vahana ny lafiny ara-java-kanto ao amin’ny tanàn’Ambila Lemaitso iray manontolo. Hisy ny fampisehoana tsy manam-paharoa iarahana amin’ny artista fanta-daza sy manana ny mahaizy azy eto Madagasikara mandritra izany, ny Tarika Lolo sy ny Tariny ny zoma 23 Oktobra, Rija Ramanantoanina kosa no hanafana ny lanonana ny sabotsy 24 Oktobra ary ny alahady 25 Oktobra no hiaka-tsehatra i Kiady. Ny tolakandron’ny 25 Oktobra indray kosa, hanome fotoana amin’ny mpankafy azy eo amin’ny Kianja fanaovam-baolina ao Ambila Lemaitso i Sanga Love, mpanakanto avy any amin’iny Faritra Atsinanana iny.
Ankoatra ny fampisehoana, ho fanomezana fahafaham-po ho an’ny tanora indrindra ireo avy nanatrika ny fanadinana bakalorea dia hisy ny korana sy fanentanana isan-karazany eny amoron-dranomasina na « beach party » iarahana amin’i DJ Lopping. « Tanjon’ny Diavolan-ko lava ny hamerina indray ny hasin’ny fitiavana an’Ambila Lemaitso. Hajaina hatrany anefa ny sakana ara-pahasalamana rehetra amin’izany hetsika izany na dia efa tsy misy intsony aza ny fihibohana amin’iny Faritra iny », hoy ny mpikarakara, Ny Rado Rafalimanana.
Raha ny fanazavana hatrany, hampiavaka ny « Diavolan-ko lava 2020 » ihany koa ny fisian’ny hetsika ara-panatanjahantena antsoina hoe: « Rando Aventure en VTT » ny 15 hatramin’ny 18 Oktobra ho avy izao izay hiainga eo Antsapanana ary hamakivaky lalan-tany mandrapahatonga any Ambila Lemaitso. Araka ny fanampim-panazavana voaray, « tsy misy ahiana ny lafiny fitaterana satria hisy fiara iraisana miala aty Antananarivo ny 23 sy 24 Oktobra ary ny alahady sy alatsinainy ihany koa dia hisy ny fitaterana miala any an-toerana mody aty Antananarivo ». Manome toky ihany koa ny mpikarakara fa efa misy ny toeram-pisakafoana mandritra ny hetsika ary tsy ho latsa-danja ny lafiny fandrindrana ny filaminana amin’izany. Raha ny fandraisana anjara indray kosa dia noezahan’ny mpikarakara natao mirary sy hozakan’ny rehetra mba samy hahazo fahafinaretana avokoa ny besinimaro na ny ankizy na ny tanora na ireo nahazo taona. Ho feno tokoa araka izany ny fandaharam-potoana mandritra io « Diavolan-ko lava » io ary antenaina ny hiverenan’ny lazan’Ambila Lemaitso aorian’izany indrindra ny hampiroboroana ny lafiny fizahan-tany.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930