Madatopinfo

 Flash Info

CENI SY NY HAINO VAKY JERY : Hifanome tanana ho amin’ny hetsim-pifidianana

CENI SY NY HAINO VAKY JERY : Hifanome tanana ho amin’ny hetsim-pifidianana

CENI SY NY HAINO VAKY JERY : Hifanome tanana ho amin’ny hetsim-pifidianana
octobre 27
11:51 2022

Tantsoroka ! Io no fitim-baovao ny ho fiaraha-miasan’ny CENI sy ny haino vaky jery tsy ankanavaka ho amin’ity zotram-pifidianana diavina ity, indrindra amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Fehin-kevitra izay nipoitra nandritra ny fihaonan’ny tomponandraikitry ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI foibe sy ireo tompona radio sy televizio ary gazety an-tsoratra sy anaty tranokala, ny 27 oktobra teo, teny Ankorondrano, ho tombotsoa ambonin’ny firenena. « Misoka-baravarana aminareo haino vaky jery izahay ka manantena koa izahay ho toy izany ianareo aminay CENI. » Hoy Tianahanantsoa Ratsimandresy, Talen’ny seraseran’ny CENI.
Nanamafy izany nandritra ny lahateny fanokafana sy ny valinteny tamin’ireo mpanao gazety ny Filohan’ity Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana ity, Dama Arsène Andrianarisedo. “Hiarahiasa amin’ny CENI amin’ny fanentanana ny fampidirana anaty lisitra mpifidy ireo olompirenena misitraka izany zo izany no antom-pihaonantsika anio”. Hoy i Dama Arsène Andrianarisedo, Filohan’ny CENI. Nanohy ny fampitam-baovao izy fa ho lisitra ho eken’ny rehetra no tanjona. Voalaza fa efa mizotra haingana kokoa ny fanisana ny mpifidy isan-tokatrano. Voalazan’ity lehiben’ny vaomiera misahana fifidianana ity fa tsikaritra efa mavitrika tanteraka ny mpanisa sy ny olompirenena isaina.
Ho avy ny tablette sy ny karine
Ny Filohan’ny CENI, Dama Arsène Andrianarisedo nampita vaovao fa ny tolakandron’ny 27 oktobra sy ny 28 oktobra no hanomboka ny fizarana “tablette” ho an’ireo renivohimparitra sy Antananarivo Renivohitra, Avaradrano, ary Atsimondrano. Voalaza fa betsaka olompirenena indrindra ireo faritra ireo ka izay no stratejia nosafidianana azy fa mbola ho avy ny an’ny toerana hafa. Nanambara izy fa tsy miankina amin’ny CENI ny faharan’ny “tablette” na dia efa ho tapitra aza ny volana iray amin’ny telo no efa lany.
Mba tsy hampivoaka any ivelany ny volan’ny Madagasikara sy hanomezana lanja ny orinasa eto an-toerana, ary hanomezana asa ireo olompirenena Malagasy, nankinin’ny CENI tamin’ny orinasa tranom-pirinty sy famokarana eto an-toerana ny karine ka izay no anisan’ny nahatara azy sy tsy nahatafaraka niainga. Nananambara ny Lehiben’ny CENI Madagasikara fa hiparitaka mialohan’io herinandro io izany “carnet à souche” izany. “Tsy tokony tsy ho taitra isika fa misy tetikady io ka ireo toerana betsaka mponina no nanombohana ny fanisana mpifidy. Ho avy ny an’ny Toliary izay tonga farany, fa misy stratejia io. Noho ny fandaminana noho nahatara azy”.
Ho voasoroka ny “doublon” amin’ny alalan’ny solosaina izay hanivana ireo anarana miverin-droa, araka ny resaka manokan’ny mpanao gazetinay tamin’i Roger Marc Fidimiafy, kaomisera nasionaly sady mpanolon-tsaina anatin’ny birao maharitry ny CENI.
Haja Nirina & Mickah Raharisoa
Sary : Ireo tompona haino vaky jery eto Andrenivohitra sy ny CENI foibe nandritra ny fifanakalozan-kevitra teo Ankorondrano

Articles similaires

0 Commentaire

Aucun commentaire sur cet article!

Soyez le premier à commenter!

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031