Madatopinfo

 Flash Info

ONIVERSITE ESTIIM’ : Mankalaza ny faha-20 taona nanabeazana

ONIVERSITE ESTIIM’ : Mankalaza ny faha-20 taona nanabeazana

ONIVERSITE ESTIIM’ : Mankalaza ny faha-20 taona nanabeazana
décembre 16
11:02 2022

« Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary ianao no manjaka amin’izao rehetra izao » (I TAN. 29 ; 12a), io no andian-tenin-tsoratra masina nosafidiana ho lohahevitra nandritra ny fotoam-pivavahana nentin’ny fianakaviamben’ny ESTIIM’ nanombohana ny faha-20 taona nijoroany. Ny marainan’ny alarobia 14 desambra lasa teo no nanatanterahana izany teny amin’ny FJKM Atsimon’Imahamasina ka ny Mpitandrina Tiana Alisoa Ranaivoniarivo no nitarika ny fanopoam-pivavahana nandritra izany. Tanatin’izay 20 taona izay, tsy nitsaha-nivoatra sy niroborobo ity oniversite tsy miankina ity, na teo amin’ny kalitaom-pampianarana izany na ara-potodrafitrasa. Reharehan’ny ESTIIM’ ireo mpianatra maro nanovo fahalalana sy nahazo mari-pahaizana tao amin’ity sekoly ambony ity nanomboka tamin’ny taona 2002, misy ireo efa mitàna andraikitra ambony, mpiasam-panjakana, eo ihany koa ireo nisafidy ny hanana ny orinasany mahaleontena. « Ny ivon’ny fankalazana ny faha-20 taona kosa dia hotontosaina eny any amin’ny CCI Ivato amin’ny alalan’ny famoahana ny andiany indraimihira hisalotra ny anarana Manjaka ny 21 desambra ho avy izao », hoy ny fanazavana nentin’ny Talen’ny fitantanan-draharaha sy ny vola (DAF), Rafalimanana.
Tsiahivina moa fa misy ireto sampam-pianarana ireto ao amin’ny ESTIIM’ (Engineering School of Tourism, Informatics, Interpretership and Management) : Droit, Diplomatie-Sciences politiques, Communication, Administration-Management, Commerce-Marketing, Tourisme-Hôtellerie-Environnement ary Informatique. Mitohy hatrany ny fisoratana anarana ho an’ireo liana hanaraka ny fampianarana ao ary eny amin’ny « Immeuble CENAM 67Ha Sud » no misy ny foiben-toerany.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930